Taratra

Fiovana : Mila mandroso ny kolontsaina

Na samy manana izay hamaritany ny « fandrosoana » aza. Tokony hiraisana kosa ny fiovan-toerana. Misy ny toerana na faritra niaingana. Mandalo vanim-potoana izany ka tokony ho tonga eo amin’ny dingana iray. Tenenina etsy sy eroa, ankehitriny, ny « fiovana ». Mila manaraka izany ihany koa ny tontolon’ny kolontsaina. Tsy ampy intsony ny mitazana […]

« Miss Tourism International » 2025: Tafiditra « Top 20 » i Hendry Tsiky

Iray amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena lehibe eo amin’ny tontolon’ny fizahantany sy kolontsaina ny « Miss Tourism International ». Nanana an’i Hendry Tsiky nisolo tena azy i Madagasikara tamin’ity taona 2025 ity. Ny sabotsy 18 oktobra teo, tany Malezia no na­natontosana ny fa­ma­ranana teo amin’ilay fifa­ni­na­nana iraisam-pirenena « Miss Tourism International » taona 2025. Raha ny […]

TSELATRA

Nitrangana vaky fasana tany Androhimainty, fokontany Antranoroa, kaominina Soavinandriana, omaly. Mpiandry omby sendra namerina omby no nahita ny fasana efa nisokatra ka niantso tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Voamarina nandritra izany fa razana 23 no very sy lasan’ireo olon-dratsy. Olona telo mianaka […]

Voafaokan’ny 4×4: Mpitondra moto namoy ny ainy

Voafaokan’ny 4×4 avy ao­riana ilay kodiaran-droa, namoy ny ainy ny tovolahy vao erotrerony nitondra moto teny amin’ ny lalambe migodana na “au­toroute” vaovao (AR1), omaly. Nitondra moto misy vitesse io lehilahy io. Nanararaotra ny fa-halalahan’ny arabe, mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy amin’io toerana io. Nikasa hi­vily tampoka ilay mpitondra moto. Tsy […]

Mpanendaka tetsy Angarangarana : Lavon’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsinanana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ ny Service Central Anti-Gang (SCAG) nandritra izany, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny nanafika mpividy entana iray tetsy Anosibe Angarangarana ny 6 okotobra lasa teo izy io. Lasan’ izy ireo […]