Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, any Brickaville, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Olona telo tamin’ireo mpandeha dimy namoy ny ainy, izay tery tao anaty fiara. Niseho teo amin’ny PK 249 hiditra Brickaville ny loza. Latsaka tany ambany tetezan’i Menagisy ny kamiao lehibe iray, izay feno entana. […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nanao rodobe, nanotrona ny fametrahana ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael, tetsy amin’ny HCC Ambohidahy, ny zoma teo, ireo masoivoho. Anisan’izany ny ambasadaoron’i Etazonia, Vondrona Eoropeanina (UE), Alemana. Ny ambasadaoro Frantsay, sy i Sina ary ny avy any Korea Atsimo. Mila jerena akaiky sy haingana ireo olana iainan’ny Malagasy ka […]
Kly Randrianirina Michael : “Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila”
Efa namariparitra amin’ny ampahany ny ho mpiara-miasa aminy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michael. Anisan’izany ny ho praiminisitra sy ireo ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Ny laharam-pahamehana fahatelo dia ny fametrahana ny Praiminisitra sy ny governemantany. Izay aloha no asa maika izao. Sivily ny Praiminisitra eo fa tsy miaramila, ary […]
Fitakiana… fitokiana
Fanararaotana izao ? Izay tratra ny karazana fitakiana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Misy aza tonga amin’ ny fitakiana departemanta na minisitera manokana amin’ny sehatra misy azy. Hanao ahoana? Na ny hoenti-manana sy ny hoenti-mihetsika… Na rafitra io, na olona, na vola, na fomba fiasa… Tsy vita mora, na hita mora […]
Fandaminana ny raharaham-pirenena : Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc
Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ireo delegasionin’ny Sadc. Mitarika izany ny Pr Kula Ishmael Theletsane. Ho avy amin’ny fanelanelalana sy hikaroka vahaolana izy ireo. Nambaran’ity tomponandraikitra misahana ny raharaha politika sy ny fiarovana ary ny filaminana eo anivon’ny Sadc ity tamin’ny mpanao gazety fa hiompana amin’ny fihainoana sy fakan-kevitra […]




