Taratra

Handball – CCOI 2025 : Nahemotra amin’ny manaraka ny fifaninanana

Nandefa taratasy ho an’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) ny fikambanan’ny handball aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AH­BOI), nivory ny 12 oktobra lasa teo, fa hahemotra amin’ ny fotoana manaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCOI 2025). Fihaonana to­kony hotanterahina any Toa­masina, ny 15 ka hatramin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Fifaninanana roa lehibe no mbola miandry ny Judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, latsaky ny 70 kg, amin’izao famaranana ny taona 2025 izao. Handray anjara amin’ny « Grand Chelem » hatao any Abu Dhabi, i Laura, ny 27 hatramin’ny 29 novambra izao, izay fandraisana anjara voalohany ho azy. Aorian’izay, hihazo an’i Tokyo […]

Filaharan’ny Fifa: Niakatra ho faha-106 ny Barean’i Madagasikara

“ Tsara fa tsy misy dikany!”. Io no teny azo ambara raha nahita ny filaharan’ny Barean’i Madagasikara, izay nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, omaly. Niakatra ho eo amin’ny faha-106 i Madagasikara, saingy tsy hiatrika Can 2025 no tsy hanao Mondial 2026. Toerana roa no nosongonan’ny Malagasy mpilalao tamin’ity, raha toa […]

Muay Thai – “Battle for Africa” : Malagasy roa handray anjara any Maorisy

Hotontosaina anio, any Maorisy, ny fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay Thai. Manana solontena roa i Madagasikara. Mianadahy, ahitana an’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy no miaro ny voninahi-pirenena mandritra ity fifaninanana matihanina eo ambany fiahian’ny WMC […]

FMMM : « Foano ny fifanarahana amin’i Frantsa »

Mitaky ny fanafoanana ny fifanaraham-piaraha-miasa nisy hatrizay teo amin’i Madagasikara sy ny firenena mpanjanaka frantsay, ny Firaisan’ny mpandinika mozilmanina eto Madagasikara (FMMM), omaly. Laharam-pahamehana ny fisokafana amin’ny firenena hafa izay manana vina mazava mitondra amin’ny fampandrosoana ny firenena ho azy ireo. Tsy tokony hifampiditra velively ny raharaham-pirenena sy ny asam-bahoaka […]