Politika

Fiaraha-miasa ara-toekarena: Hanohana ny fambolena sy ny fizahantany ny firenena maorisianina

Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry, omaly, teny Iavo­loha, ny masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Bruno Cun­niah. Voatsiahy tamin’ny fihaonana fa efa an-taonany maro ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisianina amin’ny maha nosy mpirahavavy azy aty anivon’ny ranomasimbe India­ni­na. Eo […]

Fitantanana eo anivon’ny Sadc: Filohan’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana Ratsimbazafy Eric

Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny fitarihana ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana ambony eo ani­von’ny Sadc. Mitarika izany, manomboka izao, i Madagasikara. Nandray izany fitantanana izany, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric. Lasa filoha mitarika ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana am­bony eo anivon’ny Sadc. Nambarany fa nahavita be tamin’ny alalan’ny vina […]

Fampandrosoana isam-paritra: Manana ny maha izy azy ny Sadc

Ao anatin’ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc izao. Fikambanam-paritra manana ny maha izy azy sy ny tantarany eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana isam-paritra izy. Izay tsara ho fantatra… Fikambanam-paritra mam­pivondrona firenena 16 aty atsimon’i Afri­ka ny Southern African Deve­lopment Community (Sadc) na ny Fihaonamben’ny fandrindrana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho ny fankasitrahany sahady ny fahatanterahan’ny fivorian’ny Sadc, andro voalohany, afakomaly, ny sekretera mpanatanteraka, Elias Magosi. Nambarany tamin’ny minisitra Rasata Rafaravavi­tafika, tetsy Anosy, izany. “Tsy nisy nokianina hatreto ka arahabaina ianareo”, hoy izy. Tsiahivina fa hifarana ny 17 aogositra ny fivoriana. Naneho ny heviny ny administratera sivily, Raholinarivo Paolo, fa […]