“Mety marina ny ahiahin’ny Ceni hoe fanajana ny momba ny olona tsirairay avy, fanajana ny zon’olombelona. Mafy ny lalàna, saingy izay ny lalàna”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny lalàna ahazoan’ny olom-pirenena mijery ny lisi-pifidianana amin’ny fotoana rehetra. Tsy afa-manova lalàna ny […]
Politika
Filoha Rajoelina tao Toliara : «Mandroso isika ary mipaka eny ifotony izany»
Nifarana omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tany Atsimo. Namaranany izany tao Toliara ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro. Mipaka hatrany ifotony. Anisan’ny notokanana ny «Centrale solaire» ao Betsinjaka ka hisitraka izany ny tokantrano maherin’ ny 6 000. Toerana faharoa miavaka eto Afrika io teknolojia io ary ahafahana mitsitsy vola amin’ny vidin’ny […]
Jeneraly Tsaranazy Jean-Emile : “Tsy mahafa-po ny Arema ny fandaminana ny fifidianana”
“Tsy mahafa-po ny Arema ny fomba fandaminana ny fifidianana”, hoy ny mpikamban’ ny antoko Arema, ny jeneraly Tsaranazy Jean-Emile, momba ny fiatrehana fifidianana. Misy fifangaroana amin’ny mpitondra ny mpikarakara fifidianana, ny HCC sy ny Ceni, ohatra. Tsy tokony hikarakara fifidianana koa ny olom-boatendry. Toy izany ny teny mitan’ny minisiteran’ny Atitany ny tokony […]
Jobily faha-25 taonan’ny Feo miantso”: hiaraka ny antsan-kira sy ny fanatanjahantena
Hiavaka ny fanamarihana ny faha-25 taona. Hatao ny 24 septambra izao ny antsan-kira lehibe hiarahan’ny antoko mpihira Feo miantso, tompom-pety sy ny tarika Ndriana Ramamonjy, hatao eny amin’ ny FLM Tsarahonenana. Hitohy ny 30 septambra izany amin’ny sakafom-pifaliana anasana ny rehetra eny Ankadindramamy. Mialoha izany, eo koa ny fifaninana fanatanjahantena ho an’ny taranja kitra sy […]
Filohan’ny Ceni : “Tsy misy atahorana ny vola ho an’ny fifidianana”
Nanala ny ahiahin’ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa tsy olana ny ho enti-manana amin’izany. “Tsy misy atahorantsika ny vola hanaovana fifidianana. Koa aza miahiahy isika ny amin’izay”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, afakomaly. Miantso ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily […]




