“Efa ankatoky ny fifidianana isika izao, tsy te hahita krizy intsony isika eto Madagasikara. Leo korontana sy fanapotehana ny vahoaka. Mankany amin’izany fanapotehana izany ny teti-dratsin’ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Efa nohazavain’ny filohan’ny Repoblika ny momba ny fizakany […]
Politika
Andriantsizehena Benja Urbain : « Mikorontana ny ao amin’ny Antenimierampirenena »
Misy tsy milamina. Naneho ny heviny momba ny fomba fiasa sy ny tranga miseho eo anivon’ny Antenimierampirenena ny depiote teo aloha, Andriantsizehena Benja Urbain na i Bebain. “Maro anisa ny antokon’ny fitondram-panjakana, nefa mikorontana ambony ambany… Tsy mbola nisy toy izao hatramin’izay”. Io ny nambaran’ny solombavambahoaka teo aloha ary mpiasa […]
Lisi-pifidianana : 11 043 838 na 81,25% amin’ny vina ny isan’ny mpifidy
Miisa 11 043 836 na 81, 25% tamin’ny vinan’ny Ceni 13,5 tapitrisa no isan’ny mpifidy, araka ny tatitry ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly, tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Nitombo 293 902 izany, fa 10 749 934 ny fanavaozana isan-taona (Rale), taona 2021-2022. Misy faritra fito latsaka […]
Fihaonanana tamin’ny filoha: nidera ny vina PEM ny antoko kaominista sinoa
Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, teny Ambohotsirohotra, omaly, ny delegasion’ny Antoko kaominista sinoa (PCC). Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Notsiahivina tamin’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara. Niarahaba manokana sy nidera ary resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny filoha Rajoelina ireto […]
Fizakana zom-pirenena : mandrahona hidina an-dalambe ny RMDM
Nandrangaranga fidinana an-dalambe ny eo anivon’ny RMDM, manoloana ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena vahiny. Efa maka bahana amin’izany izy ireo. “Hanao fotoana iray tsy ho ela isika. Tsy maintsy hisy fivoriambe hifandresen-dahatra, satria samy Malagasy. Dingana voalohany izay”, hoy ny mpitondra tenin’ny RMDM, ny pasitera Edouard Tsarahame, teny Bel’Air Ampandrana, […]




