Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]
Politika
Bataillon d’infanterie : kaomandy vaovao ny Kly Vahinimamy Brice
Tontosa omaly tao amin’ ny bataillon d’infanterie Toamasina ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandy teo aloha, ny Kly Randrianarisona Elizea sy ny kaomandy vaovao, ny Kly Vahinimamy Brice. Nanome toky ny kaomandy vaovao fa hanohy ny ezaka vitan’ny teo aloha. Ny olona no miova fa ny andraikitra kosa mitohy […]
Fanitarana ny fiaraha-miasa : hiantsehatra amin’ny fambolena koa ny Croix-rouge
Tsy hijanona amin’ny nahalalana azy hatramin’izay. Tonga eto amintsika manatanteraka iraka ny delegasiona avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge. Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izy ireo, omaly. Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Croix-Rouge Malagasy. Tafiditra […]
Fitsarana Anosy : sarona ireo mpijirika
Manomboka hita taratra ny fanatsarana ny fomba fiasa. Sarona ny alatsinainy sy talata teo, tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ireo mpijirika miisa roa. Anisan’ny fomba fiadin’izy ireo ny fakana vola amin’ireo manan-draharaha ao amin’ny fitsarana. Mampanantena sy milaza fa mahavita mamoaka gadra any am-ponja izy ireo amin’izany ary efa maro ireo […]
Fahamailoana amin’ny fifidianana : hatsangana eny ifotony ny Andrimaso FFKM
Mailo tanteraka. Anisan’ ny nivoitra tamin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM ho an’ny tao Antsirabe, ny herinandro teo, ny fiainam-pirenena. Voaresaka manokana ny momba ny hiatre-hana ny fifidianana. “Nifampidinika sy nifanakalo hevitra momba izany ireo mpizaika ary samy nitady vahaolana mba hametrahana fitoniana sy filaminana ho amin’izany fizotran’ny fifidianana izany. Tapaka fa […]




