Niavaka raha izay no azo ilazana ny fifampiarahabana noho ny asaramanitra, nahatratra ny taona vaovao 2026, teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara. Notarihin’ny filoha mpanorina azy, Ravalomanana Marc, filoha teo aloha sy ireo pikambana marobe ny asabotsy 17 janoary teo izany, tetsy amin’ny Magro Tanambao fahadimy. Nisongadina noho ny fahitana […]
Politika
Diplaomasia : Niditra anatin’ny BRICS i Madagasikara
Nitatitra ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy 17 janoary 2026 lasa teo. Voaresaka tao anatin’izany ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics. “Fitsidihana arakasa no natao tany, nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’i Afrika Atsimo, Ramaphosa Cyril “, hoy ny filohan’ny fanavoazana […]
FANTINA sy FINTINA
Hitondra fanavaozana faran’izay haingana sy fitahiana ary fahasoavana ho an’ny firenena ve raha tapitra hogadraina avokoa ny volomboasary rehetra? Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Confédération syndicale des agents de l’État (Csaem), ny jeneraly Ravalison Israël, manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota amin’izao. Lasa toy ny hoe “Alefa Barea” […]
Fifanarahana politika : Mitaky tondrozotrana Tetezamita ireo antoko
Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankorondrano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano […]
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”
Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny hafatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana […]




