Nofaranana tetsy Antanimena, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ny fihaonambe notanterahin’ny FFKM, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ny handray andraikitra amin’izany ny fiangonana, araka ny nambaran’izy ireo. Nanterin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, fa vonona hanatanteraka ny andraikitra nankinina aminy amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Antony nanatanterahina izao fihaonambe, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Rosia, Andriamanjato Ny Hasina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ambasadaoro any Alemana Razafimbelo Alain Manajary ary masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), any New York, Rahajarizafy Lanto. Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny valo volana ny olana efa tao […]
Parlemanta rezionalin’ny tanora : Hitondra ny feon’ny tanora ho amin’ny hoavy mamiratra
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, ny fivoriamben’ny Parlemanta rezionalin’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina na ny «Parlement régional des jeunes de l’indianocéanie» (PRJIO). Nankatoavina, nandritra izany, ny tolo-pehin-kevitra roa izay novolavolain’ izy ireo mahakasika ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina, ny fitantanam-panjakana sy ny toekarena manga ary ny […]
Tsy fahazoana karama: Manome 48 ora ny mpitondra ireo miaramila misotro ronono
Niaka-dapa! Nitokona teny Ampahibe, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, avy eo nihazo an’Ambohitsorohitra ireo miaramila an-jatony, misotro ronono. Nitaky ny volany izy ireo ary nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, ny fitakiana ny volan’izy ireo, ary nanomezany fe-potoana ao anatin’ny 48 ora hamahana ny olana. Hampiakarina eto an-dRenivohitra avokoa ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Handinika ny raharaham-pirenena koa ireo taranaky ny andriana, avy amin’ny faritra samihafa. Manatanteraka fikaonandoha eto Antananarivo izy ireo, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mivondrona anivon’ny « Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar – FCRTM » izy ireo. Miantso ny Tafika ho tony amin’ny andraikitra sahanina mandrakariva eto amin’ny firenena […]





