Politika

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho eo anivon’ny ankohonany, aorian’ ny fanadihadiana natao aminy ny depiote sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Io ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny Irmar tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Razafinjato Aurélie Marie Augustine, manga­taka ny famoahana azy izay mbola voatana hatramin’ izao. Tsy […]

Governora Faritra Anamalanga teo aloha : Namoaka didy fampisamborana ny fitsarana

Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha, Raso­amaromaka Hery, ny fitsarana. Antony ny fametrahan’ny tomponandraikitry ny orinasa misahana ny fanamboarana ny trano Lac Village Ivato fitoriana. Voalaza fa ny tomponandraikitry ny Faritra Anala­manga no sakana amin’ny fandoavam-bola. Ny orinasa Building Mora Lac Village Ivato no nahazo […]

Mpifindra monina avy any Etazonia: Anisan’ny firenena noresahin’ny Amerikanina i Madagasikara

Tafiditra amin’ny firenena anaovan’ny Amerikanina fifampiraharahana amin’ny fandefasana mpifindra monina tsy ara-dalàna i Madagasikara. ”Tsy mbola nanome valin-teny mahakasika izany aho”, hoy ny kolonely Randrianirina Michael. Nohamafisin’ny filohan’ ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, fa nisy tokoa ny iraka avy any Etazonia, niresaka momba ny […]

FANTINA sy FINTINA

Sarotra be ny hitsara ny nahavita fa tomba-maso no hatao, satria tsy voafaritra mialoha ny asa, araka ny fanehoan-kevitry ny tonia mpanatanteraky ny Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, momba ny hanaovana tomban’ezaka ny minisitra izay nomena fe-potoana roa volana. « Tsy fantatra mazava ny notakina tamin’izy ireo nandritra ny roa volana », hoy izy. […]

Depiote Rajerison Antoine : “Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”

“Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Fivoi, tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, omaly, manoloana ny fanalana ireo depiote dimy eny anivon’ny Antenimierampirenena. Tsy fahatongavana na indray mandeha aza mandritra ny fivoriana ara-potoana ny anton’ny fanalana, araka ny fitsipika anatiny. Nefa misy depiote maro […]