Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Rafidimanana Narson. Nitodika manokana amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany amin’izao fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao. « Tsy tokony hanadino na hivaona amin’ireo fitakiana teny an-kianja isika. Aoka hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibola ny mahamaika ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa hitsangana izy ireo […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël : “Izao vao tena hanomboka ny fanavaozana”
Niatrika ny fanompoam-pivavahana ho fanomanana ny fiatrehan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena, natao teny Ankadikely Ilafy, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany nandritra izany fa izao vao tena hanomboka ny fanavaozana. “Mila fanavaozana tena izy isika, ary izao vao tena hanomboka izany”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny FJKM Ankadikely […]
FANTINA sy FINTINA
Nohamafisin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo, fa tsy fikaonandoha akory ilay hotanterahin’izy ireo manomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao. «Fanomanana no ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana io», hoy izy. Notsiahiviny fa tsy nandray anjara tamin’ireo fikaonandoha rehetra natao ny FFKM na efa nomena ny “mandat” aza. Firenena laika i Madagasikara ka […]
Kardinaly Tsarahazana Désiré : « Tena tsy rariny izao misy antsika izao »
Nomarihina ny sabotsy teo, tao amin’ny Ekar St Joseph Toamasina, ny fankalazana ny faha-25 taona naha eveka ny kardinaly, Mgr Tsarahazana Desiré, sy ny faha-40 taona nanosorana azy ho pretra. Teny faneva nentiny tamin’izany ary nampitany ny hafatra ny hoe “Tsy ny fijaliana no tompon’ny teny farany». Nentaniny ny rehetra […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: « Hohenjehina ireo trondro vaventy amin’ny kolikoly »
Ovaina ny fomba fiasa manomboka izao amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hafantoka amin’ny fanenjehana ara-toekarena sy ara-bola izany, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nitarika ny fivoriana stratejikan’ny Komity mpitarika (Copil) ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, teny Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. […]





