Nanomboka omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta. ”Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka”, hoy ny Praiminisitra nandritra izany. “Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ary maika ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fanombohana ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nijoro ny vovonana nasionaly GenXYZ. Tanjon’izy ireo ny handray andraikitra hanarina ny firenena. Eo koa ny fitakian’izy ireo ny fanovana rafitra mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka. Na izany aza, nanambara izy ireo fa manohana ny fitondrana. «Tsy hisafosafo fa hiteny hanitsy raha misy ny tsy mety», hoy izy ireo. Nodisoin’ny Tim ny […]
Fivoahana amin’ny krizy : Hitondra fehin-kevitra ny silamo
Niditra an-tsehatra koa. Nanambara ny eo anivon’ny Komity nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny mpino miozolomanina (KN-FPMM) fa hanolotra ny fehin-kevitra koa izy ireo amin’ny fikaonandoha hatao eto amin’ ny firenena. Efa nanao ny fikaonandoha-paritra izy ireo, omaly, ary hatao ny 20 sy 21 desambra eny Andohatapenaka kosa ny fikaonandoha nasionaly. « […]
Fihaonana tamin’ny filoham-panjakana : Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Firenena mikambana
Mitohy hatrany ny fandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nihaona taminy ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana eto amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Antenimierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo. Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny […]




