Nandeha mangingina noho ny fiarovana ny ainy, ahina hisy hifofo, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambarany, afakomaly. « Efa fanaon’ ireo filoham-panjakana any Etazonia na Frantsa izany », hoy izy. Nambarany koa fa natao hanasoavana sy hahatsara ny firenena ny diany tany Dubaï. Anisan’ izany ny handefasana tanora miisa […]
Politika
Rabevahiny Elia: “Mila manangana rafitra tena malagasy isika”
“Mila manana sy manangana rafitra tena malagasy isika, tsy hitsabahana vahiny na iza na iza avy any ivelany. Ahoana ny hahazoana mametraka marina ny fiandrianam-pirenena, ahoana no hahazoana mijoro amin’ny hoe firenena tena manana ny fiandrianany i Madagasikara? Fa tsy tsabahin’ny any ivelany hatrany izay atao eto”. Io ny fanehoan-kevitry […]
Fikaonandohan’ny antoko politika : Ho filohan’ny Fahefana avo ny kolonely Randrianirina Michaël
Nifarana, afakomaly, ny fikaonandohan’ireo antoko politika maherin’ny 50, natao tetsy Ankorondrano. Anisan’ny nisongadina ny momba ny tondrozotra sy ny fifidianana ary ny fanovana rafitra. Tapaky ny asam-baomiera tamin’izany fa ravana avokoa ny Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimiera roa tonta, ny governemanta, ny HCC, ny Fitsarana avo (HCJ). Tahaka izany koa ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mitaky ny hamoahana ny tondrozotran’ny Tetezamita ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny nambarany tao Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy maintsy faritana tsara izany ary handalo dingana maro ny firenena. «Tsy maintsy manana faharetana isika», hoy izy tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany. Nahitsy ny mpanao gazety sady […]
Ceni : «Hanaovana fitsirihana sy fanadiovana ny lisi-pifidianana»
“Raha tsy manomboka ny fanatsarana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao isika, ho sarotra ny hanatanterahana ny fifidianana ato anatin’ny 24 volana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fiatrehana fifidianana aorian’ny fikaonandoham-pirenena. Farafahakeliny, mila enim-bolana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Raha hiandry ny […]




