Namaly ny antso fanentanana avy hatrany. Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Antaninarenina, omaly, ny ambasadaoron’i Japon, Tojima Hitoshi. Nambaran’ity masoivoho ity, tamin’izany, fa tafita tsara ny antso sy ny fanentanana nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, afakomaly, teny amin’ny minisiteran’ny […]
Politika
Tohin’ny fihaonan’ny Gen Z sy ny praiminisitra : Navoaka sy atao andrimaso i Herizo Gen Z
Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo ireo solontenan’ny Gen Z, manerana ny Nosy. Samy nomena anjara fitenenana izy rehetra. Nivaly, omaly hariva avy hatrany. Mbola nitaky ny hamoahana ny namany, voasambotra sy tazonina any amin’ny mpitadro filaminana ireo Gen Z, tamin’ny fihaonana teny Mahazoarivo. Namaly izany ny lehiben’ny governemanta ary […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy hisy fijerena loko politika ny fanendrena ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. “Tena hifantoka manokana amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny ho fanendrena », hoy izy. Nanteriny fa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny ho sata sy hoavin’ny rafitry ny […]
Synadjad : Simban’ny politika ny raharaham-panjakana
“Tafiditry ny politika loatra ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohan’ny “Syndicat des adjoints d’administration de Madagascar” (Synadjad), tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly. Milaza ny lalàmpanorenana fa tsy azo anaovana politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nefa tsapa ankehitriny, efa ho roapolo taona mahery: na ny olom-boatendry aza amin’izao, lasa idiran’ny politika. Ohatra amin’izany, […]
Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hiainga eny amin’ny fokontany ny fakan-kevitra
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Niompana tamin’ny fampahafantarana ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izany. Anisan’ny nivoitra tamin’ ny fihaonana ny fampahalalana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka ara-bola sy teknika (PTF) ny antsipirian’ireo tetiandro, ny paikady hanatatanterahana izany ary ny vina efa voarakitra ao anatin’ny programanasan’ny Fanavaozana. Tafiditra ao […]





