Tranga

Rongony mahery vaika : roa lahy nahatrarana « crystal-meth »

Naiditra eny Tsiafahy ny roa lahy nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “crystal-meth” sy bala fampiasa amina fitaovam-piadiana teny Isotry, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Isotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny BC sy ny ekipan’ny SAG. Lehilahy iray voasambotra. Nosavaina ny fiara nentiny ka nahitana ireo balam-basy miisa telo sy karazan-drongony […]

Mbola nahitana vola 1 400 000 Ar : tratra ireo jiolahy namono nahafaty an’i Cynthia tao Toliara

Enina mianadahy voasaringotra tamin’ny fandrobana niharo vono olona tao Toliara renivohitra, ny 26 marsa teo. Nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana izy ireo. Voasambotry ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ka nahafaty an’i Cynthia, ilay tovovavy, mpiasana karana ao Tsianaloka Toliara. Ny 26 marsa 2024 teo ireto andian-jiolahy ireto […]

Antsirabe : telo lahy nahatrarana vola sandoka

Vola sandoka 18 tapitrisa Ar tratra teny amin’ireo telo lahy nosamborin’ny polisy tao Antsirabe, ny alatsinainy 25 marsa teo. Nokasain’ireo mpisoloky ireo amidy sy aparitaka tao amin’ny renivohitr’i Vakinakaratra tao anatin’ity herinandro mialoha ny fankalazana ny fetin’ny paska ity ireo vola sandoka ireo. Mponina avy eto Antananarivo ilay lehilahy iray […]

Tsy fandriampahalemana: Tsimponin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana

Manao ezaka goavana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana. Indrisy ! Mihantsy sy mahasahy azy ireo ny olon-dratsy. Hany ka misy ny lavo am-perinasa. Vao afakomaly, nisy ilay zandary G2C maty no­tifirin’ny dahalo tao Ankerabe distrikan’i Mainti­rano. Miaramila roa lahy manao asa fampandrian-tany no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana […]