Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny balan’ny polisy ireo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Anosibe, ny talata 7 mey teo. Roa lahy hafa rotiky ny bala teny Imerintsiatosika. Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny jiolahy roa lahy anisan’ireo nikasa hamaky fiara teny Anosibe, ny talata 7 mey teo. […]
Tranga
Mahitsy: mpamaky trano tra-tehaky ny zandary
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray namaky trano, an’ny mpifanolobodirindrina aminy, tao amin’ny fokontany Ambohimilemaka, kaominina Mahitsy, omaly. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olona tao amin’io trano io ilay olon-dratsy. Nalainy avokoa ny entana, toy ny fahitalavitra, ny 26 avrily lasa teo. Niverina tao an-trano ny tompontrano, efatr’andro taorian’io, foana […]
Nisoloky Cash point : lehilahy nahatrarana vola sandoka 1 tapitrisa Ar
Saika hanao izay ho afany handefa vola sandoka teny aminy! Voasambotry ny zandary miasa ao Sambava renivohitra ny lehilahy iray nikasa hisoloky mpanao Cash point, afakomaly hariva tamin’ny 5 ora sy 20 minitra. Nanatona io toerana fandefasam-bola io ilay lehilahy. Nilaza handefa vola misimisy izy. Tsy nisy alaharo, nanao ny […]
Kamiaobe nivadika : olona dimy namoy ny ainy
Olona 20 naratra mafy, dimy namoy ny ainy. Kamiao be mpitatitra eladrano tapaka hisatra no nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-piarakodia nahafatesan’olona tao ambavaranon’i Manambaroa, fokontany Anjaha Soatanimbary, kaominina ambanivohitr’i Satrokala, distrikan’Ihosy, omaly. Kamiaobe iray miasa ao amina toeram-pitrandrahana eladrano, any amin’iny faritra avaratra, anatin’ny kaominina ambanivohitr’i Mahasoa, ity niharan-doza ity. […]
Ambohitrimanjaka : mpitondra moto voa mafy teo amin’ny lohany
Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny mpitondra scooter iray tra-doza teny amin’ny lalan’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Voa mafy ny lohany. Nifandona tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ka tsy nahatsiaro tena io lehilahy iray nitondra moto scooter teny amin’ny lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka io, omaly maraina. Nandeha mafy ilay mpitondra kodiaran-droa ka […]