Naratra mafy, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamaky trano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Fankakamandroso, kaominina Ambohitranandriana, distrikan’ Antsirabe II, ny 18 marsa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, anatin’io fokontany voalaza io, ilay lehilahy mpangalatra, tamin’ny 4 ora maraina. Nihevitra izy fa mbola rendriky ny torimaso ny tompon-trano ka […]
Tranga
Tanjombato: vehivavy nahatrarana héroïne 21 fonosana
Naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay vehivavy nahatrarana héroïne tetsy Tanjombato. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy ao Anosy, ny talata 19 marsa teo, izy. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa manaparitaka io karazan-javamahadomelina mahery vaika io, eny amin’ny kaominina Tanjombato sy ny manodidina, ity renim-pianakaviana ity. […]
Loza tsy nampoizina: Zazalahikely roa maty nilatsahan’ny varatra
Zazalahy kely roa no indray namoy ny ainy, omaly tolakandro. Tsy andro nanjombona, tsy orana nilatsaka fa nirefodrefotra ny vara-maina. Lasibatra ireo zaza nilalao. Maty tsy tra-drano, vokatry ny fahamaizana nateraky ny vara-maina ny zazalahy kely roa, omaly. Tao amin’ny fokontany tanambao Météo, any Maintirano, no nisehoan’izany, tokony ho tamin’ny […]
Nitondra sokatra: vazaha iray voasambotra
Teratany vahiny iray handray ny zotram-piaramanidina hihazo an’Antananarivo no voasambotry ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany ao Toliara, omaly. Nahatrarana zana-tsokatra enina tao anatin’ny valiziny nandritra ny fisavana. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy fa teo am-pidirana ny seranana izy dia somary nampiahiahy ny fihetsiny. Mailomailo sady kaodikaody ihany […]
Avy namaky trano: jiolahy iray tratran’ny fitsaram-bahoaka
Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Andohaniato Ambohipo, afakomaly. Efa saika namoy ny ainy mihitsy izy noho ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2). Raha ny fanazavan’ny fokonolona, araka ny tatitra nampitain’ny polisy, niditra tao amina efitrano fandraisam-bahiny iray ity jiolahy ity tamin’ny […]