Vesatra momba ny tsy fangaraharan’ny fitanana teo amin’ny kaominina Antsirabe, tamin’ny taona 2008, no ihazonana vonjimaika any am-ponja an-dRamalason Olga, izay ben’ny Tanàna teo aloha. Tompondraikitra voalohany tamin’ny fanafoanana ny taratasim-barotra momba ny tany nolovain’olona izy. Niady teny anivon’ny fitsarana ny tompon-tany rehefa nahalala fa tsy misoratra amin’izy ireo intsony […]
Tranga
Opération « SARIKA 1 »: Jiolahy telo tratra teny Isotry
Mitohy ny hetsika « Sarika 1 » ataon’ny polisy ho famongorana ny asan-jiolahy mampikolay ny olona eto an-dRenivohitra. Nahitam-bokany izany satria jiolahy telo no tratran’ny polisin’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry. Tratra teo am-panendahana renim-pianakaviana iray ry zalahy. Nitondra antsy izy ireo nandritra ny fanendahana io vehivavy io, afakomaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday, […]
Fampandrian-tany: mametra-piadiana ny jiolahy
Ankoatra ireo mbola miziriziry, mibaboka sy milavo lefona tsikelikely ireo dahalo. Misy ireo manatitra fitaovam-piadiana mahery vaika eny amin’ny zandary. Miova fo tsikelikely! Nilavo lefona! Namerina ny fitaovam-piadiana fampiasany ny dahalo tsy niseho tava tao Ambohimitsinjo, fokontany Tanimena, kaominina Fanjakana, distrikan’Isandra, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Manao hetsika manokana hanentanana […]
Barikadimy – Toamasina : mpianatry ny oniversite tratra nivarotra rongon
Ao anatin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny fiadidian’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, amin’ny hanadiovana ny ao anatin’ny Campus. Ny alatsinainy tamin’ny 9 ora maraina, nampandre ny polisim-pirenena ny teo anivon’ny fitondrana sy ny fitantanana Oniversite Barikadimy Toamasina, fa misy mpianatra mivarotra zava-mahadomelina. Nanao andrimaso avy hatrany ny polisy. Nahitam-bokany izany, tratra […]
Lasa ny 500 000 Ar: mpangarom-paosy matin’ ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsipihina, afakomaly. Nahazo fampitam-baovao ny zandary niasa tao an-toerana momba ny fisian’ity jiolahy ity izay hita mihaodihaody ao an-tsena. Efa-dahy ry zalahy no mpiara-manao asa ratsy saingy tafatsoaka ka nenjehin’ny fokonolona. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary fa nisy fifanjevoana […]