Tranga

Sambava : Polisy monisipaly iray maty voafaokan’ny fiara

Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo polisy monisipaly voafaokan’ny fiara tra-doza iray tao amin’ny RN5a, PK 385 + 850 tao amin’ny fokontany Sambava Centre, omaly maraina. Nisy olana tampoka teo amin’ny familiana, ni­fatratra tamina polisy monisipaly nanatontosa ny fivondronana rehefa fiatombohan’ny herinandro tao amin’ny Fokontany Sam­bava Centre ny fiara kely […]

Fanendahana eny Isotry : vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, ny asabotsy 17desambra 2022 teo ny andian-jiolahy (vehivavy ny iray) malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy. Miara-misalahy hatrany ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny polisim-pi­renena mba hisian’ny fandriampahalemana. Nametraka ny paikady rehetra ny polisy mba hahafahana misambotra ireo jiolahy amin’iny […]

Antohomadinika : lehilahy mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny polisy, oma­ly tamin ‘ny 2 ora maraina ny lehilahy iray avy namaky trano tetsy Antoho­ma­dinika, fokontany III G Hangar. Nifanena tamin’ny lehilahy iray nitondra entana maro samihafa ny Polisy avy ao Antaniavo Antohomadi­nika rehefa nanao fisafoana an’anelakelantrano. Nampia­hiahy ny mpitandro ny filaminana izy ity ka nosavaina ireo entana […]

Fitrandrahana an-tsokosoko: sarona ny voamboana 180 tsy ara-dalàna

Tra-tehaky ny zandarimaria, avy ao Fetraomby, ny talata tamin’ny 03 ora tolakandro teo, ireo zahatra miisa valo nitondra hazo sarobidy marobe. Nalefa teny amin’ny re­niranon’Ambinanintsaraha, koaminina ambanivohitra Fetraomby, distrika Brickavil­le ireo zahatra ireo ka nisy nahatsirakitra. Efa voaomana tsara ity teti-dratsy ity. Tsara fatotra sy voaafina tsara avokoa ireo hazo […]

Cash point voatafika : vehivavy iray naratra, lasa ny vola sy finday miisa 12

Voasambotry ny polisy ilay lehilahy nandroba vehivavy mpanao «Cash point» tao Tsiroanomandidy. Mbola tratra teny aminy ny vola 3 tapitrisa Ar sy finday 12 isa norobainy. Tsy lasa alavitra akory! Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva ilay lehilahy nanafika Cash point tao Tsiroano­man­didy. Nitranga […]