Tranga

Hividy kafe : ankizilahy fito taona maty voafaokan’ny fiara

Maty tsy tra-drano ilay ankizilahikely fito taona voafaokan’ny fiara iray teny Andavabato, fokontany sy kaominina Soamanandrariny, distrikan’Antanifotsy. Naratra mafy kosa ny reniny sy ny zandriny vao herintaona monja. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny alakamisy teo, nandalo teny an-toerana izy telo mianaka saika hividy kafe hosotroina. Tsy nisy nanampo […]

Anosibe : mpangarom-paosy dimy tratry ny polisy

Voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily ireo mpanendaka teny Anosibe, omaly. Miandahy miambavy izy ireo no manao ity asa ratsy ity. Anisan’ny toerana mahamay amin’ny sinto-mahery sy harom-paosy iny faritra iny ka arahi-maso akaiky, hoy ny polisy. Midina eny an-toerana manara-maso ny faritra rehetra ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. […]

Asan-jiolahy: gadra mandra-pahafaty, tratra any am-panafihana

Na efa nomelohin’ny fitsarana asa an-terivozona mandra-pahafatiny aza, voasambotra tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana indray i Mbehoto sy ny namany tao Toamasina… Hatairana ny an’ny re­hetra tao amin’ny efitrano fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, nandritra ny fotoam-pitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-56-Toa/22-2133-RP anenjehana an’i Mbehoto sy ny namany. Samy jiolahy […]

Milaza ho afaka mamoaka gadra : nalefa nanampy isa ireo voafonja

Voatazona am-ponja vonjimaika ao Miandrivazo i Soan­dro, lehilahy 48 taona, monina ao Ambohimandroso Andrefa­na, fokontany sy kaominina Amba­tolahy. Mi­la­za fa afaka mamoaka olona migadra ao an-toerana izy. Nambarany koa fa mahafantatra olona ao amin’ny fitsarana ao Miandri­va­zo izy handreseny lahatra olona. Araka izany, nifanena tamina ve­hivavy iray avy any Belo-Tsi­ribihina, […]

Lalan-dririnina : mpangarom-paosy telo tratra

Voasambotry ny polisy any Antsirabe ireo mpangarom-paosy telo lahy ny alahady teo. Anisan’ny toerana malaza amin’ny fisian’ny fangaronam-paosy sy fanendahana Antsira­be, raha ny tatitra voaray. Ton­ga nitaraina teny anivon’ny polisy ny kaomitin’ny tsena any an-teorana sy ireo lasibatr’izany asa ratsy izany, hoy ny polisy. Tsy sahy miteny ireo voaendaka satria […]