Tranga

Fanafihana rava: jiolahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, tra-tehaky ny fokonolona ny jiolahy iray, ny marainan’ny 16 novambra teo. Telo lahy, nifarimbona hiditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io ireto jiolahy ireo. Mailo anefa ny tompon-trano. Vantany vao nahare ny fisian’ireo olon-dratsy, niezaka nampahafantatra ireo […]

Taksiborosy tra-doza: lehiben’ny fokontany sy zazamena vava maty

Fiara mpitatitra olona iray no nitsoraka tany ambany tetezana, afakomaly tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy sy zazamena no namoy ny ainy. Nieren-doza ny mpandeha 21 hafa. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara mpitatitra mampitohy an’i Kiraomena sy Tsiroanomandidy. Tapaka […]

Nandroba 200 000 Ar: jiolahy valo nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja taorian’ny fanafihana tokantrano tao Ambalabe, fokontany Andriambe , kaominina Antanamalaza distrikan’Ambatolampy ny jiolahy  valo, ny  16 novambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tompon-trano, lasan’ireo olon-dratsy ny vola nitentina 200 000 Ar sy ny bisikileta iray. Raikitra ny fikarohana nataon’ny zandary taorian’ny fitarainan’ny lasibatra. Tra-tehaka tamin’izany ny roa lahy nitondra […]

Ampandrana: jiolahy tratra nitondra gony feno kilalao sy kojakojan-dakozia

Jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, omaly, tamin’ny 2 ora latsaka teny Ampandrana noho ny raharaha vaky trano. Polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahatsikaritra olona telo nivimbina gony sady mampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nikasa hitsoaka avy hatrany izy […]