Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra atsimo andrefana. Tovolahy iray no hita faty tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimeva, distrikan’i Morombe, afakomaly. Notapahin-doha izy ary noentin’ireo jiolahy nanaraka azy izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankona ny rehetra raha nahita ity habibibana mahatsiravina ity. Niteraka resa-be teo […]
Tranga
Noloarana ny kibony: ankizivavikely 10 taona sady naolana no novonoina
Ankizivavikely vao 10 taona monja no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao Andranoboaky, distrik’Ambohimahasoa, afakomaly. Sady naolana no novonoina izy. Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity ankizivavikely vao 10 taona monja tao Andranoboaky, fokontany Andohanisahatona, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra ambony ity. Naolana izy no mbola novonoina ihany koa. Afakomaly antoandro, nirahin’ny reniny […]
Mpandraharaha voatafika: norobain’ny valo lahy ny vola 6 tapitrisa
Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana, voaroba ny vola mitetina enina tapitrisa ariary tao amin’ny tranona mpandraharaha iray anatin’ny tanànan’i Tsaramandroso, kaominina Ambalajia, distrikan’i Maevatanana, afakomaly alina. Nanapoaka basy, tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina ny toerana nanaovan’ireto dahalo ireto fanafihana. Niditra an-keriny tao amina mpandraharaha iray anefa izy ireo. Nitaky vola, […]
Tadio mahery vaika: olona 35 tsy manan-kialofana
Ravaravan’ny tadio ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Soanakambana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nandritra ny minitra vitsy, tapitra niendaka ny tafontranon’ireo mponina tao amin’ity fokontany ity. Tsy vitan’io, nisy hatramin’ireo fianakaviana sasan-tsasany rava trano. Vokany, olona 35 tra-boina. Tsy manan-kialofana ireto fianakaviana ireto ka noraisan’ny fokontany ao an-toerana […]
Maintirano: zaza varira 5 taona lasan’ny dahalo
Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Amboanara avaratra, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano. Zazalahikely varira vao efa-taona monja no lasan’ny dahalo roa lahy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao an-toerana. Tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’io renim-pianakaviana mananontena io ireo olon-dratsy ka nitaky vola taminy. […]




