IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ao Antsirabe, anio ny “Hetsika rodorodon’ny fanambaram-pananana”. Hetsika hampiroboroboana ny fanambaram-pananana, iarahana amin’ny Bianco izany. Anisan’ny hiatrika izany ireo ben’ny Tanàna sy mpiasam-panjakana ary ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny Jly Razafimandimby Sylvain. Anisan’ireo manamboninahitra ambony nandamina ny krizin’ny 2001- 2002, niakaran’ny filoha teo […]
TSELATRA
Saron’ny polisy ao Antsiranana afakomaly ireo jiolahy telo ao anatina fikambanan-jiolahy mahery vaika. Mpikambana ao amin’ny vondrona tanora atao hoe Dakar ao amin’ny fokontany Ambalavola ry zalahy ireto. Mampihorohoro ireo tanora ao amin’io fokontany io. Vehivavy iray hita faty teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Ahina ho nisy nanolana izy satria […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny lalao an’olon-tokana avokoa ireo Malagasy mpilalao tenisy miatrika ny Fifaninanana Afrikanina hatao any Accra Ghana. Tsara marihina fa mbola misy lalao iraisan’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy izay hataon’izy ireo. Tsiahivina fa izay firenena efatra voalohany ihany no manao ny « par équipe ». Mitsahatra kely […]
INDRAY MIJERY
Notokanana, ny herinandro teo, ny efitrano fandidiana voatokana ho an’ny maso ao amin’ny CHU Anosiala. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana maso ao amin’ny hopitaly ny fotodrafitrasa, indrindra ny fandidiana ny areti-maso katarakta. Niarahana tamin’ny Korea University Médecine sy ny ONG Well International ny fanamboarana izany. Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hataon’ny CHU […]