Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 191 ny tafo natolotry ny vondron’ny mpanondrana drakaka ho an’ireo mpiara-belona voakasiky ny rivodoza nifasesy, tany Mahajanga sy Toa­masina. Tolo-tanana nataon’ny sehatra tsy miankina ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana sy ho fanohanana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara izany. Hanaraka fiofanana mifantoka amin’ny fahazoana traikefa mandritra ny roa volana ireo […]

Toliara : Olona 3 nahatrarana sokatra miisa 167

Nidina ifotony tany Toliara ny Fitantanana miady amin’ny kolikoly (Dulc) eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), taorian’ny angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Nohamarinina ny vaovao, milaza fa misy ny fitrandrahana sokatra antsokosoko. Noraisina ny fepetra mifandraika amin’izany, niaraka tamin’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena (UIR) Toliara, […]

Fahavitantena ara-tsakafo : Manohana ireo Ivontoeram-pikarohana eto an-toerana ny CGIAR

Nidina tany Antsirabe ireo delegasionina ao amin’ny Ivontoeram-pikarohana iraisam-pirenena CGIAR, ahitana ny Africa Rice, ny Ilri, ny CIP, ny Icrisat ary ny IITA. Nojerena ifotony ny fiaraha-miasa amin’ny eto an-toerana toy ny Fofifa, ny Fifamanor, ny CFAMMA, ny SOC ary ny Imvavet. Nofantarina ny olan’ny fotodrafitrasa, ny mpikaroka tsy ampy […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ireo teratany malagasy ho mailo ny konsilin’i Madagasikara any Liban manoloana izao ady any amin’iny faritra iny izao. Nivoitra tamin’ny fanambarana koa fa tokony hiala lavitra ny toerana isehoan’ny fifandonana izy ireo any amin’ity firenena ity. Niantso ny rehetra tsy handairan’ny tsaho koa ny konsily. Nahafa-po ireo iraky ny […]