Other News

VAOVAO TAMBATRA

Mitotongana tanteraka ny fidiram-bolan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, nanomboka tamin’ny nisian’ny fihetsiketsehana, ny 25 septambra teo. Ny tapakandro maraina sisa izy ireo no afaka miasa, nefa koa kely ny vola miditra satria vitsy ny mpandeha. Nilaza ny mpitatitra amin’ny taxi-be 109, avy any Antanandrano Ambohitrarahaba man­keny Anosy, fa […]

Sempidou : Nanambara fa hanao fitokonana faobe

Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fandintseranana, Sempidou. Nanao fanambarana ho an’ny rehetra izy ireo, omaly, tetsy Anka­difotsy. Nisongadina tao anatin’izany ny filazana fa hanao fitokonana faobe mandritra ny telo andro ny mpiasan’ny fandintseranana rehetra mane­rana an’i Madagasikara. Araka ny fanazavana na­taon’izy ireo, mbola misy ihany ny tolotra hatao […]

Lalam-pirenena fahafito: Mandeha ny fanarenana ny faritra tena ratsy

Anisan’ny lalam-pirenena harenina ihany koa ny RN7, miaraka amin’ny RN2, ny RN4, ny RN6, sns. Manara-penitra sady tsy maintsy hajaina ny fe-potoana hanaovana ny asa. Miisa efatra ny ampahan-dalana anisan’ny harenina any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Amin’izao fotoana, asa atao ny fanadiovana ny manodidina ny lalana (cantonage) sy ny anaty […]

Tsenan’ny solika : Tafidina 64 dolara ny vidin’ny barila

Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Anisan’ny mahatonga izany ny hamaroan’ny vokatra eo amin’ny tsena, nefa kely ny tinady na ny mpanjifa. Tafidina amin’ny vidiny ambany indrindra ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, nanomboka ny volana mey 2025. Omaly, tafidina 64,90 dolara ny salam-bidin’ny iray barila (=159 litatra) […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny alakamisy alina teo ny delegasionina malagasin’ny taranja Échecs, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Jeunes”, tantera­hina any Durres, Albanie. Aina Masambatra, Irvin Keyn­nan, Miarana Irinah ary Dimbiharentsoa Christiana no nanainga teto Madagasikara ary hamonjy an’i Fitia Noah sy Sombin’Aiko efa any an-toerana. I Verné Prinsloo, teratany Afrikanina […]