Nanankarena fifampizarana ny “Fête du Basket NBA” notontosaina teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Sabotsy lasa teo. Nizara ny traikefany tamin’ny Malagasy mpilalao basikety ny kintan’ny basikety Amerikanina, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowels. Nisy ny “match de gala”, izay nandraisan’izy ireo anjara ary nampitolagaga ny mpanatrika ny lalao […]
Other News
Rugby – Amboaran’i Madagasikara Top 8 : Lavon’ny TFA Anatihazo ny TFMA Ankasina
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 8 Mada”, taranja rugby. Fihaonana, nokarakarain’ny Malagasy Rugby. Anisan’ny fihaonana nandrasan’ny rehetra ny adin’ny TFA Anatihazo (Pilo kely) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Tafita amin’ny manasa-dalana ny TFA rehefa nandresy tamin’ny isa mazava, 37 […]
DAKA AN-JORONY: Ho solohoto sy firaka ny rehetra
Toy ny tantely ao am-bavan’ny hendry ilay fandresena azo lazaina fa miezinezina azon’ny Barea de Madagascar ka nahatafitana any amin’ny manasa-dalana ny Chan 2025 iny, ka tsy mety lany hamamiana. Tena endrehin-kaja ny Malagasy ary endrehim-boninahitra i Madagasikara. Tsy hita noanoa ny hafaliana tao anaty ka izay rehetra nifankahita toa […]
Volley – CAN U16 : Resin’i Egypte tamin’ny seta 3-0 i Madagasikara
Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Can, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, tanterahina any Tonizia. Resin’i Egypte tamin’ny seta 3 no ho 0 i Madagasikara. Tsy mbola tafiditra tao anatin’ny lalao mihitsy ny ekipa malagasy tamin’ity andro voalohan’ny fifaninanana ity. Betsaka loatra ny […]
CHAN 2025 – Lalao manasa-dalana: Barea hidona amin’i Soudan ary i Maroc hifampitana amin’i Senegal
Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny dingana manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Hifandona amin’izany ny Barea de Madagascar sy ny Faucon de Jediane-n’i Soudan ary adin’ny samy liona kosa ny ilany hifanandrinan’ny Lion de l’Atlas Maroc sy Lion […]






