Hitodi-doha any Andraikiba Antsirabe indray ny tarika Iray Fy’Art, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Ekar St Joseph Andohalo. Hitondra an-tsehatra ilay tantara nosoratan’i Niravo Randria: “Ny herin’ny vola”. Hamelona izany ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, ahitana an’i Faly, Rakoto, Synèse, miaraka amin’i Niravo sy Antsaravaka. Handrindra an-tsehatra […]
Other News
Hetsika « Tokotany be »: seha-pihariana hampiakatra ny toekarena ny kolontsaina
Sambany no nisy. Tafaraka amina toerana iray, anaty hetsika iray, rehefa mahakasika ny indostrian’ny kolontsaina sy ny asa famoronana. Tosika ho an’izay fihariana mifototra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina izay ny “Tokotany be”. “Ny toy izao no hahalalan’izao tontolo izao ny kolontsaina malagasy”, hoy i Fredy Kely, Mpikabary kalaza, fa […]
Fandrosoana: Ilaina ny tandrohasina
Ekena, sarotra ny mamaritra ny hoe « mandroso », rehefa hohasarotina. Mora kosa anefa rehefa hotsorina. Na izany aza, ny mahantra nanjary nanana, fandrosoana. Ny mpianatra nisondrotra kilasy, fandrosoana, sns. Ny dihy soroka nanjary dihim-pitombenana, fandrosoana ve? Raha ny faritra misy ireo eo amin’ny vatan’ny olombelona (soroka mankeo amin’ny fitombenana) […]
Namoaka ny boky #Zakoa: mitafa mivantana amin’ireo liana i Hary Rabary
Hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana « Prix Orange du livre en Afrique 2024 » izy. Ilay boky #Zakoa, navoakan’ny Editions Dodo vole, no hoentin’i Hary Rabary mandresy lahatra ny mpitsara mandritra izany. Mialoha izay anefa, tazana tao amin’ny tranohevan’ny Orange Solidarité Madagascar, mandritra ilay hetsika “Tokotany be”, etsy amin’ny Lapan’ ny […]
Hanome lanja ny fototra: Tsy vitan’ny hafanam-po ny fiverenana an-doharano
Manomboka taitra amin’ny torimasony ny Malagasy. Liana amin’ireo fomba amam-panao navelan’ny teo aloha. Tsy vitsy ireo nanapa-kevitra ny hanaraka izany avy hatrany… Roso ny dia !… Manentana, manazava, sns. Mirehitra indray ilay fitiavana ny an’ny tena! Malagasy vanona, Malagasy vonona! Ireo avy hatrany no mby ao an-tsain’ny Malagasy raha vao voakitika […]






