Other News

FANTINA sy FINTINA

Nirarakompana ny fanesorana Prefet sy lehiben’ny distrika, araka ny fanapahana noraisina teo amin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, afakomaly. Maherin’ny 20 ny fanendrena olom-baovao ka anisan’izany ny Prefet an’i Tsiroanomandidy, Mana­kara… Ny sefo distrika any Mandoto, Bealanana, Ma­nandriana, Mahabo,Vohibato Mitsipaka ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasam-panjakana sy anaovana tsindry […]

Fampahafantarana ny vina : mahazo dimy minitra amin’ny TVM / RNM ny kandidà

“Mialoha ny fampielezan-kevitra, mahazo dimy minitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny kandidà tsirairay hahazoany mampahafantatra ny momba ny tenany na ny antoko misy azy na ny vinam-piarahamoniny ary manentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ ny fifidianana”. Io ny fanazavan’ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba […]

Ho lalao maloto?

  Mbola mitohy foana ny antsojay ifanaovan’ny samy mpanao politika. Ny mifanipaka an-toerana toa valala an-karona, andaniny. Ny ankamely sy ny ankasomparana amin’ izay tsy mitovy hevitra, ankilany. Taratry ny tsy fahatokisan-tena sy ny fahalemena anefa izany. Manaporofo ny tsy fahazakana fifaninanana. Fihetsika mifono hafatra hafa­hafa rahateo, indrindra amin’izay ho […]

Razanamahasoa Christine : “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana…”

Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, sy ny filoha mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques. Nisy ny hafatrafatra nifanaovana tamin’izany. Tsotra sy mazava. “Tandrovy mandrakariva ny fahamarinana na hi­hatra aman’aina aza izany”, hoy Razanamahasoa Christine, tetsy amin’ny La­pan’i Tsimbazaza. Nanterin’ity kandidà ho depioten’Ambato­finan­drahana ity koa fa tsy mahafaty […]

Nenjehin’ny fokonolona: telo lahy tratra nitondra sokatra

Olona telo nitondra sokatra nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ampotaka, Beheloka, Toliara II, ny 16 avrily teo. Naka sokatra miisa 21 ireo fito lahy niray tsikombakomba. Nataon’izy ireo sakafo teny an-dalana ny efatra. Nanao ny asany, nidina ifotony ny mpanara-maso sy mpiaro io karazam-biby arovana io. Nifanehitra tamin’ireo lehilahy nitondra […]