Toe-karena

Axian sy Unicef : fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Natao ny talata 23 avrily teo ny fihaonan’ny vondrona orinasa Axian sy ny Unicef. Dinika mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana maharitra. Nanatrika ny fivoriana ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, Etleva Kadilli. Natao ny tomban’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Manana […]

Drafitrasa PDSem : fanatsarana ny seha-pihariana hena, ronono

Nampahafantarina, omaly, ny fanombohana ny famolavolana ny Drafitrasa lasitra ny sehatry ny fiompiana eto Mada­ga­sikara (PDSem). Tanjona ny hisian’ny paikady matotra maharitra hampiroboroboana ny fiompiana eto Madagasikara. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fambolena sy ny fiompiana (DGAE), ao amin’ny minisitera (Minae), Anondraka Michel, fa mifanandrify amin’ny andry roa lehibe nofaritan’ny filoha […]

Fambolena sy fiompiana : ampirisihina ny famokarana ny akora fototra

Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana. Tokony hampitomboina ny famokarana akora fototra eto amintsika. Sehatra iray mifampiankina ny fambolena sy ny fiompiana. Miantoka ny famokaran-tsakafo ho an’ny olombelona sy ho an’ny biby ny fambolena. Ho an’i Mada­gasikara, ambany ny famokarana akora fototra, toy ny ka­tsaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Voarara ny fanahazana vary eny amin’ny lalam-pirenena. Nidina ifotony, nanentana sady nilaza tamin’ny tompony ny hanesorana ny vary eny amin’ny arabe ny zandarimaria, nanomboka, omaly. Nentanina ny kaominina hanentana ny rehetra fa ho an’ny fiarakodia ny lalam-pirenena, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana. Mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ny fiompiana trondro […]

Fitsirihana ara-ketra: mampitovy tadin-dokanga ny DGI sy ny OEFCM

“Mifanipaka matetika ny hevitra amin’ny fampiharana ny lalàna. Hita izany na amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra (procédures fiscales) na amin’ny hailamin’ny fitsirihana ara-ketra (méthodologie de contrôle fiscal), raha ny nambaran’ny sekretera jénéralin’ny « Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar (OECFM) », Razakamahefa Hajanirina. « Mifampihaino, mampitovy fijery no dingana […]