Ankalazaina anio 26 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko. Mandray anjara amin’izany ny orinasa Bôndy, nizara jiro manazava lalana miisa 250 amin’ny faritra 4 iasany. Misehatra amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny ala honko ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko. Nambaran’ ny talen’ny Toekarena manga ao […]
Mois : juillet 2025
SOMBIM-BAOVAO
Hisolo tena an’i Madagasikara any Algérie, mandritra ny lalao afrikanina an-tsekoly, taranja Judo, Razakarison Tovohery, sokajy latsaky ny 55 kg. Ity no lalao afrikanina an-tsekoly voalohany ary tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Hatao ny maraina […]
Tenisy – Amboara Davis: Fandresena fanintelony ho an’i Madagasikara
Mbola nahazo fandresena indray ny Akomba de Madagascar, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy. Resin’ny malagasy, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Cameroun omaly ho an’ny vondrona “B”. Lalao notanterahina tao amin’ny kianja National Tennis Centre, tao Gaborone Botswana. Sahirana ny Akomba de Madagascar vao […]
Karate-Tompondakan’i Afrika : Medaly alimo 2, azon’i Natanaela sy i Sarobidy
Tsara fanombohana, amin’ny ankapobeny, i Madagasikara, nandritra ny andro voalohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, tontosaina any Nizeria. Medaly alimo 2 no azon’ny Malagasy nifaninana omaly. Medaly voalohany norombahin’ny Malagasy ny an-dRakotondrazaka Natanaela, teo amin’ny Kata, sokajy Cadet, lehilahy. Nandrombaka ny medaly alimo ity karatékas malagasy ity rehefa nisongadina […]
« Chan 2024 » : Tsy mety tafavoaka ny lisitra, ifandroritana ny anarana
Tsy mbola tafavoaka hatramin’izao ny lisitra handrafitra ny Barea Chan. Misy mpilalao tsy niatrika ny dingam-pifantenana izay nataon’ny mpanazatra, miteraka olana. Tsy hita popoka hatramin’i zao ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja baolina kitra, sokajy A’ na ny Barea Chan. Tsy fantatra mazava ny antony mampitarazoka izany […]




