Nosantarina ny 23 desambra teo ny taom-pambolen-kazo 2025 any amin’ny faritra Boeny. Miisa 10 000 ny zana-kazo honko, karazany roa, nambolena any amin’ny ala honko ao Manapatanana-Amborovy, eo an-tampon-tanànan’ i Mahajanga. Novokarina tany amin’ny tanin-jana-kazon’ny fikambanana Anareo mbola havanay (AMH) ireo zana-kazo honko ireo. Nampahafantarina sy nanentanana ny rehetra ny fomba […]
Mois : décembre 2025
Tetikasa Sahofika: mila 1,2 miliara dolara hananganana tohodrano
Efa novolavolaina tamin’ny taona 2014-2015 ny tetikasa fananganana tohodrano hamokatra herinaratra, manana tanjaka 300 MW. Efa vonona ny mpamatsy vola fa ny fanjakana malagasy sisa no andrasana. Famokarana goavana indrindra eto Madagasikara rehefa tanteraka ny tetikasa Sahofika. Any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ny toerana hananganana ny tohodrano, mamokatra […]
“Noely fifaliana 2025″: niara-paly ny fianakaviamben’ny Foloalindahy
Niompana tamin’ny lohahevitra “Noely fifaliana” ny fankalazana ny fetin’ny Noely nokarakarain’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) notarihin’ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina Ely mivady, ny sabotsy teo, tao amin’ny MFA Ampahibe. Fanompoam-pivavahana no nanombohana izany. Notarihin’ny raiamandreny am-panahy eo anivon’ny fitazaim-panahy anivon’ny MFA. Nitohy tamin’ny kilalaon’ireo zanaky ny mpiasa sy ny soradihy […]
Fankalazana ny noely: mitety hopitaly ny mpanao asa soa
Amin’izao ankatoky ny fetin’ ny Noely sy ny faran’ny taona izao, nahatsiaro ny marary manaraka fitsaboana etsy amin’ny CHU JRA ny fiangonana FVK FM tamin’ny alalan’ny sampana ara-tsosialy ao aminy. Nanome vary, menaka, savony sy kojakoja ilaina andavanandro izy ireo. Indroa isan-taona no hanatanterahina izany hetsika fanohanana ny marary izany, […]
Rugby: amin’ny febroary ny “Top 12”
Tapitra tamin’ny fiadiana ny amboara nankalazana ny faha-125 taonan’ny rugby teto Madagasikara, natao ny alahady 23 desambra lasa teo, ny fifaninanana ho an’ny taona 2025. Miato aloha izany ny fihaonana rehetra satria hiatrika ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao ny mpilalao rehetra. Raha ny vaovao avy amin’ny Malagasy Rugby, […]




