Nivaly ny tolona, ho an’ireo mpanakanto. Hatreto, narahin’ny mpitondra avokoa ny soso-kevitr’izy ireo hanatsarana ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Homena ny mpanakanto ny toeran’ny tale jeneralin’ny kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Anisan’ ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto, ivondronan’ireo mpamorona, mpanoratra, mpanao mozika izany. Nivoaka tamin’ ny Filankevitry […]
Mois : décembre 2025
Tsy ho very mandeha
Niherina sahady ny taona. Migadona ny Krisimasy na ny Noely. Afaka herinandro dia hivalona tanteraka ihany koa ny taona 2025. Nivadika tanteraka ny fiainan-dRamalagasy. Niova ny rivotra politika niampitany any amin’ny fanovana mpitondra. Nirodana ny loko volomboasary taorian’ny 16 taona nitondran’ny filoha Rajoelina Andry. Niverina ny tantara ho an’i Madagasikara. […]
Filankevitry ny minisitra: miisa 139 ireo fanendrena mpiasam-panjakana ambony
Anisan’ny voatendry tamin’izany filankevitry ny minisitra izany, i Rolly Mercia, hisahana ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mpanao gazety ary efa minisitry ny Serasera teo aloha sady vao nivoaka ny fonja, farany teo. Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny mpanao gazety, Onitiana Realy. Efa minisitry ny Mponina, fony […]
Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao
Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana. Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Haritiana ary Andriamampandry […]
Halatra moto: telo lahy voasambotra
Mirongatra ny halatra moto eto an-dRenivohitra, amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fety izao. Lehilahy miisa telo voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy Ambohimamory, ny alin’ny alatsinainy 22 desambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter iray, tao amin’ny fokontany […]




