Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Lions de l’Atlas Maroc, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, «Mondial 2026». Nofaranan’i France ny lalan-dry zareo. Na resy aza ny Maraokanina, mitondra volabe mody an-tanindrazana. Nandao ny “Mondial 2026” ny Lions de l’Atlas Maroc, rehefa lavon’i France teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Ho an’ireo olona tafavoaka tamin’ny aretina homamiadana dia tena ilaina ny fanohanana ara-tsaina, raha ny hevitry ny dokotera. Tokony hahay mankafy ny fahasalamana sy ny fiainana amin’izay ary manana fomba fijery miabo na dia nolazoin’ny aretina aza. Hajaina ny fanafody ohanina sy ny fanaraha-maso ara-potoana takin’ny dokotera. Notolorana fitaovana informatika […]
Fanomezana rano madio : 10 268 ny kaonteran-drano voasolo
Anisan’ny asa sahanin’ny tetikasa “Fanatsarana ny fahazoana rano madio”, (Paaep), ho an’ny olona 1 tapitrisa eto Antananarivo sy ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara, ny hisitrahany maharitra ny rano. Fomba iray hahatongavana amin’ny tanjona ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy fanoloana ireo fitaovana efa antitra. Eto Antananarivo, mahatratra 110 000 ny kaonteran-drano […]
Manoloana ny hala-jaza: Miaina amin-tahotra ny ray aman-dreny
Mandry andriran’antsy ny ray aman-dreny manoloana ny hala-jaza sy famonoana tanora amin’ny fomba feno habibiana nisesy tato ho ato. Mila tsy ho avoaka ny trano intsony ny ankizy sy ny tanora manoloana ny tahotra sy ny tebiteby. Na fanakorontanan-tsaina io na resaka politika dia miantraika amin’ny vahoaka ny zava-misy ary […]
Protocole de Maputo : Miantso ny fanjakana hankatoa azy ny firaisamonina sivily
23 taona ny Sata afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny vahoaka mifandraika amin’ny zon’ny vehivavy, antsoina koa hoe: “Protocole de Maputo”. Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny famolavolana ity sata ity i Madagasikara, ny taona 2003. Nanao sonia izany ny taona 2004. Tsy mbola nanao ny fankatoavana kosa nefa hatramin’izao isika […]




