Misy ny kolontsaina tena fandikan-dalàna an-kitsirano ary enjehin’ny lalàna. Anisan’izany ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona izay hakan’ny ray aman-dreny vola. Toy ny fivarotana olona ihany izany ary enjehin’ny lalàna. Eo koa ny fomba izay ny rainy niteraka azy ihany no manao firaisana amin’ny zanany voalohany. Tena fomba mamohehitra sy […]
Fiaraha-monina
Olona varira : Tokony hisy drafitrasam-pirenena ho fiarovana
Manao antso avo ny hisian’ny drafitrasam-pirenena hiarovana azy ireo ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira. Tena mandry an-driran’antsy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny tsy fandriampahalemana. Efa manana ny soso-kevitra ho amin’izany izy ireo, saingy miandry ny fahavononan’ny ambaratongam-pahefana sy ny fahasahian’ny fanjakana. Amin’izao fotoana, mahatsiaro ho tsy misy […]
EPP Ampapamena (Cisco Soalala) : Nametrahana efitrano fianarana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza
Nitsidika ny distrikan’i Soalala ny minisitry ny Fanabeam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina sy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes, tamin’ity herinandro ity. Distrika nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia, ny volana febroary lasa teo, i Soalala, indrindra ny fampianarana. Voatery naato ny fampianarana ho an’ny zaza miisa 10 000 noho […]
Basikety 5×5 : Ratsy fanombohana ny Ankoay
Resin’ny RD Congo, tamin’ny isa 82 no ho 62 ny Ankoay, nandritra ny lalao voalohany nataon’izy ireo, omaly, tany Senegal. Ao anatin’ny dingana fahatelo, fifanintsanana amin’ny “World Cup”, basikety 5×5, izy ity. Niakatra an-tsehatra, omaly, tao amin’ny Kianja Stadium Marius Ndia Ye Dakar, Senegal, ny ekipam-pirenena Ankoay, ao anatin’ny dingana […]
INDRAY MIJERY
Mikarakara varavarana misokatra ho an’ny daholobe ny hopitaly Anosiala, ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Hisy fampianarana momba ny aretin’ny zaza sy ny homamiadana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny andro voalohany. Hizaha fahasalamana maimaimpoana kosa ny tomponandraikitra ny tapakandro hariva sy ny andro faharoa. Isaky ny sampandraharaha no […]




