Hotanterahina eto Antananarivo ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. « Ny vehivavy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny firenena » no lohahevitra voizina mandritra ny fankalazana izay mifanaraka amin’ny lohahevitra iraisam-pirenena napetraky ny ONU : Zo rariny, fandraisana andraikitry ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra. Maro an’isa ny vehivavy […]
Taratra
Fanofanana momba ny rano: Natokana ho an’ny sam-pam-pampianarana dimy
Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny tolotra fanofanana hahazoana mari-pahaizana « Master en Gestion et traitement de l’eau » sy ny « Science eau et énergie ». Tetikasa nivoaka tamin’ny fandaharanasa « Erasmus plus » iantohan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny Oniversite efatra dia ny Limoges, Roumanie, Belgique ary La Réunion izany. Nahazo tombontsoa ny sampam-pianarana […]
Fisitrahana zo ara-pananahana : Nanamafy ny fanoloran-tenany ireo mpiantsehatra
Mitaky ezaka betsaka amin’ny ankolafin-kery marolafy ny fampisitrahana ny zo ara-pananahana raha ny eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany ireo mpiantsehatra. Natao teny Ivandry, tamin’ity herinandro ity, ny sonia fanamafisana ny fanoloran-tena momba ny fanatrarana ny ezaka amin’ny fisitrahana ny zo ho salama ara-pananahana ho an’ny vehivavy. Nodinihina lalina ireo paikady […]
TARATRY ny KANTO
«Voha vavahady ho eo an-tokotanin’ny sarimihetsika». Io indray ny lohahevitry ny zara haizatra am-pamoloana, izay hotontosaina anio amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hitarika ny dinidinika mandritra izany i Mina Ilarion, mpanoratra tantara sy manana traikefa amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Araka ny anaran’ny hetsika rahateo, natao […]
Fampianarana – Kolontsaina : Mila ovaina ifotony ny taranja malagasy sy tantara
Iray amin’ireo seha-panabeazana mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny hoavin’ny tsirairay sy ny firenena manontolo ny fampianarana. Taranja maro no ianarana any an-tsekoly. Hatramin’ izao, mbola tsy tena hita soritra mivaingana ny fiantraikan’ny fahaizana an-taratasy ireny taranja ireny, raha ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy sy […]





