Taratra

TARATRY ny KANTO

«Ankizy Mozika Festival». Hotonto­saina rahampitso, etsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faha-5 amin’ny he­tsika ho an’ny ankizy, karakarain’ny CGM/ GZ. Hanomezana sehatra ireo ankizy ma­nan-talenta eo amin’ny mozika izany, amin’ ny hira na amin’ny fiangaliana zavamaneno. Misy ny avy amin’ny sekoly mampianatra mozika, misy kosa ireo manan-talenta hafa. Ho […]

Baolina kitra – D2 National : Tsy raikitra ny lalao, nitokona ny mpitsara

Omaly 21 novambra ny daty voatondron’ny Federa­sioni­na malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanombohan’ny fi­hodinana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena «D2 Na­tional». Tsy raikitra ny lalao ho an’ireo miatrika izany any Ma­hajanga. Nitokona ireo mpi­tsara lalao ary nilanja sorabaventy tao amin’ny Kianja Rabe­mananjara, tokony ha­naovana ny fifaninanana. Ta­kin’izy ireo ny handoavana ny tambin-karamany tamin’ny […]

Soatoavina, kolontsaina…: Mila omena laka ny fahasamihafana

Tenenina matetika ny fiovana, fanovana… Fa, tsara ihany koa ny fananana fijery mivelatra. Mila omena laka ny fahasamihafana eo amin’ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, mampiavaka ny faritra na toerana tsirairay. Izany hoe, miainga any amin’ny fototra. Ny monina na ireo mitoetra ao amin’ilay toerana na faritra (mpiaramonina) no manome laka […]

Rugby “XXL Top 12” : Hafana ny fifanandrinan’ny CEA sy ny TFMA

Adin’ny samy kartie indray ny hamarana ny lalao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso. Hifandona amin’izany ny CEA Andranomanalina sy ny TFMA Ankasina. Hotanterahina rahampi­tso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapena­ka, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­ka­ra, taranja Rugby, “XXL Top 12”. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fi­hao­nana […]

FANTINA sy FINTINA

Hanohana ny fanavaozana entin’ny fitondram-panjakana ny Groupe M24. Hanolotra ny “UTV Ch54” sy ny radio “FM 87.8» ary ny «FM 93.6» izy ireo ka hiova anarana ho LCR TV, LCR radio1, LCR radio2” izany izao. Tafiditra amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe M24 sy ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i […]