Taratra

« Mada sénior 2025» : Rava tsy lera ny lalao

Ratsy fiafara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara, taranja handball, sokajy Sénior 2025. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny ala­hady 9 novambra lasa teo. Tsy tontosa hatramin’ny farany man­tsy ny fihaonana teo amin’ny sokajy lehilahy, nikatrohan’ny Littoral SC Atsinanana sy ny HBC Cut Atsimo Andrefana. Niala an-daharana […]

Lalao ara-pirahalahiana : Raikitra ihany ny fihaonan’ny Barea sy i Guinée Equatoriale

Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy. “Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina […]

BNGRC : Maika ny fiatrehana ny fahavaratra

Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC). « Maika ny fiatrehana ny fahavaratra izay efa manomboka amin’izao fo­toana », hoy ny tele jeneraly vaovao, Ramanantsoa Gabriel. Heverina ho 3 ny rivodoza handalo eto Madagasikara ary efa miomana amin’izany ny BNGRC. […]

Mpianatra ho dokotera : “Zéro service” eny amin’ny hopitaly

Fampiakarana ny tetibolan’ny fahasalamam-bahoaka ho 15% no tena itoloman’ireo mpianatra ho dokotera. Mila voasonia ny fifanarahana izay efa voarafitra ary tante­rahina. Mila ampiakarina 15% ny tetibola ho an’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, hoy ireo mpianatra ho dokotera eny amin’ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nanam­batra feo izy ireo, omaly, nanao diabe niala […]

VAOVAO TAMBATRA

Mikatona avokoa ny masoivohon’ny Jirama manerana ny Nosy, manomboka androany. Miroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa. Tsy mandray baiko avy amin’ireo mpitantana ka hampihatra ny « service zero » izy ireo. Tsy mankasitraka ny sata vaovaon’ny orinasa ny mpiasa ka manamafy ny fanafoa­nana izany sy ny fanalana ny tale jeneraly, Ron Weiss. […]