Aseho amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ny sekoly iraisam-pirenena Maarif Talatamaty. Nohazavain-dramatoa Irmak Tuncer, sekretera fahatelo ao amin’ny masoivohon’i Torkia eto Antananarivo, fa hetsika iarahan’ny masoivohon’i Torkia sy ny mpianatry ny sekoly Maarif manatanteraka, anehoana fa manomboka amin’ny fahazazany dia efa beazina ny […]
Taratra
Mahajanga : Zanaka varika 9 tratra teny amin’ny taksiborosy
Nisy ny fiaraha-miasan’ny Fitantanam-paritry ny tontolo iainana Boeny sy ny kaoperativa Cotisse. Zanaka varika, karazana sifaka, miisa 9 no tratra tao amin’ny toby fiantsonan’ity kaoperativa ity any Mahajanga, ny zoma 7 novambra teo. Nokasaina halefa amin’ny fiara mpitondra entana, avy any Mahajanga mankaty Antananarivo, ireo biby arovana ireo, ary tsy […]
Fampandrosoana ny toekarena : Mifanohana ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina
Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandehanana ny toekarena. Antony mahatonga ny rafi-panjakana manamafy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina. Zava-dehibe ny fifanohanan’ny roa tonta ho an’ ny tombontsoan’ny firenena sy hanatrarana ny tanjona iraisana. « Mifarimbona avokoa ny rehetra raha tiana hatanjaka ny fototry ny fanavaozana ara-toekarena », hoy ny minisitry […]
TARATRY ny KANTO
Hitohy hatramin’ny 7 desambra izao ilay fampirantiana « Abafabazi », ao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Fampirantiana mitety firenena izy ity, izay hanehoana ny sanganasan’ireo afrikanina mpanakanto maromaro, maneho ny vehivavy sy ny tontolony. Mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, mivoy izay fahasamihafana ara-kolontsaina sy fiarahamonina kanefa misy ifandraisana maneran-tany izay, ny fampirantiana. Ny […]
Fiverenana ifotony: Tsy maika ny fandikan-teny
Tany amin’ny Repoblika faharoa no nanezaka mafy tamina « fanagasiana », ny sehatra samy hafa teto Madagasikara. Tsy nahomby izany, satria, nihazakazaka tany amin’ny fandikan-teny. Noheverina fa tsy ampy voambolana ny teny malagasy ka nampiana. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola misy ny mpikaroka mbola manantitra hatrany fa ilain’ny Malagasy ny fandikana amin’ny teny […]




