Omena laka ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Mbola mijanona ho nofinofy ihany izy io hatramin’izao. Miandry, mifampiandry ? Miandry inona ? Sanatria miandry tranga mahatsiravina hitohy sy hipoitra isan’andro ve ? Tsy mahasoa ny taranaka Malagasy ny manabe azy ireo ho tonga vahiny eto amin’ny taniny. Tsy hitondra fandrosoana ho an’ny tsirairay […]
Taratra
Mpaka sary pika matihanina: 6 mianadahy nahazo mari-boninahitra
Notolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra ary ny kolontsaina, ireo enina mianadahy, mpaka sary pika matihanina. Izay mpikambana eo anivon’ny Union des photographes professionnel de Madagascar (UPPM). Natao omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny lanonana fizarana. « Fiarahabana azy rehetra tamin’ny fahavitana ny dingana sy ny fandraisan’izy ireo […]
Printsy Andry Rodrigue: azo ampiarahina ny fahendrena sy ny siansa
Fahalalana sy fahendrena, kolontsaina napetraky ny razana. Ny siansa sy lalàna, rindra nentin’ny zanakolombelona hahatsara ny fiainany sy ny manodidina azy. « Afaka miara-dalana tsara ireo amin’ ny fampandrosoana sy fampivoarana ny tsirairay sy ny fiarahamonina », hoy ny printsy Andry Rodrigue. Ireo rehetra ireo hampiharina ao anatin’ny fanarahana ny didy aman-dalàna […]
Hampiray ny maro… Hanatanteraka seho miavaka indray ny Reko
Taorian’ny seho lehibe roa, tao Mahamasina, ny 2024 sy ny 2025, manome fotoana an’ireo mpanaraka azy ny tarika Reko ny 20 septambre ho avy izao. Lasa masoivohon’ny Orange Madagascar koa ity tarika ity. “Efa Reko! Ho avy izy!”. Hanolotra seho miavaka ary mampihetsi-po ho an’ireo mpankafy azy, ny 20 septambra […]
Vaovao Tambatra
Ny faritra Vakinankaratra indray no nanatanteraka ny Fikaonandoham-paritra momba ny tetibola, (CBR), ny talata 1 septambra teo, tany Antsirabe. Fotoana nihainoana mivantana ireo filana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana eny ifotony. Tanjona ny hampifanaraka ny tetikasa sy ny loharanom-bola misy amin’izay tena ilain’ny mponina, mba hitondra vokatra azo tsapain-tanana […]




