Jiolahy iray maty voatifitra tetsy 67 Ha, omaly tamin’ny 01 ora maraina. Naheno olona niantso vonjy ny mponina ka nampandre ny polisy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny UIR, taorian’izay. Nifanehitra tamin’ny lehilahy iray ahiahina ho anisan’ireo mpanendaka, teo amin’ny toerana feno lobolobo, ireo polisy manao fanamiana sivily. Nikasa […]
Taratra
Mahitsy: tovolahy nanolan-jaza voasambotra
Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy iray nampihatra herisetra tamin’ny zazavavy 9 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nirahin’ny ray aman-dreniny ity zazavavy 9 taona ity. Nitondra vola 2 000 Ar sy harona. Nifanena tamin’ny lehilahy iray mpiambina tanàna, voarebireby ilay zazavavy. Nentin’io mpiambina io niditra ny tanàna […]
Famadihana nivadika ho fisaonana: tovovavy roa niara-maty, voatifitry ny zandary tsy nahy
Maty voatifitry ny zandary tsy nahy nandritra ny famadihana ny tovovavy roa, ny alatsinainy alina lasa teo. Nisy olana ny basim-borona napoaka hanomezam-boninahitra ny razana ka nitera-doza tao Ambalavato Vohitromby. Tratry ny tampoka sy tsy nahy! Nivadika ho loza ny poa-basy saika hanamarihana lanonam-pamadihana iray tao Ambalavato, fokontany Vohitromby, kaominina […]
Dinika fakan-kevitra: tonga manatrika eny Iavoloha ny vondrona iraisam-pirenena
Miroso araka ny tetiandro sy ny lamina napetraky ny mpikarakara ny dinika politika tanterahina eny Iavoloha. Anisan’ny voaasa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nitohy omaly hatramin’ny talata 8 septambra izao ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana izay tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ankoatra ny antoko politika, ny vovonana, ny fikambanana […]
Anosizato Andrefana: mpivaro-kena voaroba 18 tapitrisa Ar
Lasan’ny jiolahy roa tsy nisaron-tava ny vola mitetina 18 tapitrisa Ar, teny Anosizato Andrefana, omaly maraina. Voambana antsy ilay mpivaro-kena haka entana vao maraina. «Nisy nanaraka izy rehefa handeha haka entana any Ampahitra, tamin’ny 4 ora sy 20 minitra maraina», hoy ny fanazavan’ny zandary. Nitondra antsy ireo mpandroba. «Nisintona ny […]




