82% ny tahan’ny zaza nahazo ny VP1 (vaksiny miaro amin’ny polimelita), araka ny antontanisa ny volana jona lasa teo, raha 90% ny tanjona napetraka. Ilaina ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny mahazatra, indrindra ny fitadiavana ireo zaza mbola tsy nahazo vaksiny sy ireo tsy nahafeno ny fatra tokony ho azony. Tamin’ity taona […]
Taratra
Roa lahy voasambotra: nikasa hivarotra voamason’olona teo 67 Ha Atsimo
Tonga hatraty an-dRenivohitra ny mpivarotra voamaso. Tra-tehaky ny polisy teny 67 Ha Atsimo ny roa lahy, afakomaly. Voamarina fa voamason-jaza varira izany. Sarona teny amin’ny lehilahy miisa roa, tetsy 67 Ha Atsimo, afakomaly, ny voamaso miisa roa. Nalaina avy amin’ny zaza varira izany, araka ny angom-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Avy amin’ny […]
Sombim-baovao
Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba CFFA Andoharanofotsy, omaly, fantatra izao fa anio hariva no hanainga hihazo ny Nosy Maurice, ny delegasiona sy ny mpilalao. Hiatrika ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo klioba izy ireo. Ny ekipan’ny Lijabatho Lesotho moa no hifandona amin’ity ekipa […]
Basikety – Mada U18: fantatra ireo ekipa hiady ho lohany
Hampiantrano ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, lahy sy vavy, taranja basikety ny ligin’Atsimo Andrefana. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao izany. Navoakan’ny Federasionina malagasy (FMBB) tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ireo ekipa hiatrika izany. Ligim-paritra 13 no hiady izay ho lohany ka ligy 6 amin’ ireo […]
« IHF Trophy Séniors », vehivavy: hatao ao Vontovorona ny fifanintsanana
Hotontosaina eny amin’ny Complèxe sportif Vontovorona, ny 29 septambra hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny fifanintsanana eo amin’ny taranja handball, « IHF Trophy », ho an’ny faritra fahafito, sokajy vehivavy « Séniors ». Ankoatra an’i Madagasikara mampiantrano, miisa dimy ireo nosy hifanintsana amin’ izany. Anisan’izany i La Réunion, Mayotte, Comores, Maurice ary i […]




