Feno 50 taona ny orinasa Malto, sampan’ny orinasa Star Madagasikara. Mamatsy ny malta, akora avy amin’ny zavamaniry orge, ampiasain’ ny Star amin’ny fanamboarana ny zava-pisotro labiera ity orinasa ity. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny famoronan-karena eto Madagasikara. Miasa any amin’ny faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania […]
Taratra
Fifanakalozana ara-barotra: hitohy hatramin’ny taona 2028 ny Agoa
Hisitraka ny tombontsoan’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) hatramin’ny 2028 i Madagasikara. Fanapahan-kevitra tapaka taorian’ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, ny 1 septambra teo, izany. Lany nandritra ny latsabato nataon’ny Parlemanta amerikanina, tamin’ny isa 370 no ho 48 ny volavolan-dalàna “HR 6 500” hanohizana ny African Growth and Opportunity Act, hatramin’ny […]
Fantina sy fintina
Nihaona tamin’ireo ambasadaoro malagasy any ivelany miisa telo vao notendrena, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ny minisitra N’Diaye Alice. Nampahatsiahivany ny andraikitry ny tsirairay sy ny zotra itondrana ny diplomasia malagasy izany. Eo ny fampiroboroboana ny endrik’i Madagasikara any ivelany sy ny fiarovana ny tombotsoan’ny firenena ary ny fiarovana […]
Efa mandeha ny kajikajy
Samy manana ny kajiny sy ny laminy avokoa ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. Ny azo ambara, efa mirona mankany amin’ilay fifidianana andrasan’ny maro ny henjana isan-tsokajiny. Ny goaikantitra efa lohalisitra, mihatihaty sy mirantiranty, eny amin’ny lohan’ny sehatra. Ny antoko na vovonana vaovao tarihin’ny tanora, tsy manaiky ho takona afenina […]
Raharaham-bahiny: hanao fihaonamben’ny samy Malagasy
Ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa stratejika, ny diplaomasia ara-toekarena… Ireo no anisan’ny lohahevitra hifantohana amin’ ny fihaonamben’ny samy Malagasy momba ny tontolon’ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no mikarakara ny fihaonambe, izay hatao eto Antananarivo, ny 7 hatramin’ny 17 septambra ho […]




