Nahazo taratasy fanesorana azy ireo sefo fokontany miisa 14 eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Voalaza ho manana ny firehana politikany manokana ka mampanahy amin’ny fiandaniana izy ireo, araka ny taratasin’ny sefo distrika. Nanao fitaraina eny anivon’ny fitsarana izy ireo, manoloana izany. Notoloran’ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa Avaradrano akanjo vaovao hoenti-miasa avokoa […]
Politika
vovonana firaisankina : miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila
“Miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila ary hampihatra ireo fahefana omen’ny lalàna azy ka handray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna maro mitranga”. Io ny fanambaran’ny vovonana Firaisankina novakin’ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomana Marc, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Araka izany, miantso ny sehatra […]
Fifidianana depiote : hanova paikady ireo kandidà amin’ny propagandy
Mety tsy hitovy amin’ny teo aloha. Samy manana ny fomba hitondrany ny fampielezan-keviny ireo kandidà solombavambahoaka. Efa samy maka bahana amin’ny hiatrehana izany ireo etamazaoro politika isan-tokony. “Mavesatra loatra ilay anto-bola nirotsahana hofidina ka tsy mitovy amin’ny fanao mahazatra ny hiatrehana izany”, hoy ny kandidà iray. Nanamafy izany ny kandidà […]
FANTINA sy FINTINA
Maromaro ireo mpanao gazety nahazo valisoa tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Transparency international-IM sy ny ONG Malina. Eo ny horonantsary nitrandrahana « Ny fanondranana hamorain’ny kolikoly: loza mitatao ho an’ny sokatra ». Novokarin’i Nadia Raonimanalina sy i Germain Andrianalitiana ary i José Sitrakiniaina izany. “Manana adidy hiray hina hahatafavoaka ny firenena isika”, hoy […]
Sendika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana : vonona hanamafy traikefa ireo mpiasa
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny herinandro teo ny eo anivon’ny Sendika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana (Snadec). Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa niforona tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny herintaona, ny sendika. Naneho fahavononana ny hiara-kiasa amin’ny minisitra izy ireo ary hanamafy hatrany ny traikefany, […]




