Politika

Mialoha ny fampielezan-kevitra : efa mahita fihoaram-pefy sahady ny KMF/Cnoe

Manaraka akaiky ny mialoha ny fampielezan-kevitra ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao fotoana izao. Niantso fandraisana andraikitra izy ireo manoloana ny efa tsy fanarahan-dalàna hita tato ho ato. «Momba ireo fihoaram-pefy, manana ny andraikiny amin’ny maha mpitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana azy ny Ceni. Ny HCC efa nilaza fa handray […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. “Aoka samy handray andraikitra tandrify azy sy hiara-kientana ary hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka, indrindra ireo marefo amin’ny fanapariahana ny hazavana ho anao”, hoy izy. Nanteriny fa laharam-pahamehana izany ary mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka. Handray anjara amin’ny fivoriana isan-taona […]

vovonana firaisankina : mbola mitsipaka ny fifidianana teo aloha

Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Eta­zonia, i Claire Annette Pieran­gelo, sy ireo mpitarika ny Fi­rai­sankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitene­nana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. […]

Holafitry ny mpanao gazety : “Mbola olana ny fahazoana loharanom-baovao”

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, fa betsaka ny fitarainan’ny mpanao gazety sy ny tatitra voaray momba ny fahazoana vaovao. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, manoloana izany. “Olana ny fikatonan’ ireo loharanom-baovao ka entanina ny mpitondra mba hanome vaovao fa tokony hitondra fiovana […]

Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV

Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo […]