Politika

TURQUIE : hizara traikefa amin’ ny Tafika Malagasy

Nandray ny masoivohon’i Torokia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa efa nahazo tombony tamin’ny fampiofanana tany Torokia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]

Filoha Rajoelina Andry : miantso fitoniana sy firaisankina!

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany. «Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kao­moro sady […]

Amin’izao JIOI izao : miantso fiatoana politika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena

“Manao ny lalaon’ny Nosy isika amin’izao fotoana izao. Manainga ny rehetra mba hajanony aloha re ny disadisa rehetra izay azo ajanona”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakoto­arijaona Josoa, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoron’i Torokia, teny Ampahibe, afakomaly. Fitaratra iray ngezabe ny lalaon’ny Nosy itarafan’ny olona an’i Madagasi­kara sy ny […]

Fifidianana filoham-pirenena : kandidà ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle

Nanambara ny fahavononany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny depiote voafidy tany Ikongo, Razafintsiandraofa Jean Brunelle, omaly, teny amin’ny trano fonenany, eny Ivato. “Mavesatra loatra ny fahantrana ary tsy hita soritra ny ho avin’ny firenena sy ny vahoaka ka nanapa-kevitra izahay”, hoy izy. Hanolotra azy amin’ izany fiatrehana ny fifidianana […]

Fanapahan’ny HCC : nitondra ny heviny ny minisitra Lalatiana R.

Teny fohy sady tsotra tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra. “Fanajana ny foto-kevitry ny fisaraham-pahefana no antony nahatonga ny fanapahana noraisin’ny HCC momba ny fitoriana nataon’ny mpanao politika iray any ivelany ny amin’ny fizakana zom-pirenena ananan’ny Filoha”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana. Nanteriny fa ny fahefana mpanatanteraka no […]