Politika

Antoko Hiaraka isika : manohana ny eny ifotony, nanampy ny kaominina Dabolava

Nanolotra fanitso ho an’ny EPP any amin’ny kaominina Dabolava, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe, ny herinandro teo, ny antoko Hiaraka isika. Ra­van’ny rivodoza farany teo izany ka izao nitondra ny anjara birikiny izao ny ekipan’ny Jly Camille Vital. Tsy vitan’izany fa teo koa ny nanomezan’izy ireo fanamiana ho an’ny […]

Mpanohana ny filoham-pirenena : vaky ny ady eo amin’ny samy IRD/TGV Toamasina

Mitohy hatrany ny lonilony sy ny ady an-tranon’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika. Voakasik’ity areti-mifindra ity ny IRD sy TGV ao Toamasina. Tsy takona hafenina intsony fa vaky tanteraka ny ady eo amin’ny samy mpanohana ny filohan’ny Repoblika eto Toamasina sy ireo mpiray lisitra tamin’ny ben’ny Tanàna aty an-toerana. Nifamaky bantsilana […]

Arsevekan’Antananarivo : nakotroka ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu

Tontosa ny sabotsy 22 jolay 2023, ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, Arsevekan’Antananarivo vaovao, teto amin’ny diosezin’An­tananarivo. Hetsika maro no nentin’ny mpino katolika nandray ny raiamandreny am-panahy, hiandraikitra ny diosezin’Antananarivo. Nan­dray azy ny Mgr Razana­kolona Odon Marie Arséne sy ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Nanotrona azy ireo ny […]

Paul Rabary: «Afabaraka ny firenena»

« 63 taona niverenan’ny fahaleovantena, mbola fikarakarana fanadinam-panjakana no olana ho an’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Rabary Paul, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Navoitrany fa tsy voafehin’ny fanjakana ny toe- draharaham-pirenena. “Diso ny fanapahan-kevitra noraisina”,hoy izy. Niteraka fikorontan-tsaina tamin’ireo mpiadina ny fanoloana ny laza adina “Tantara […]

Korontana tamin’ny Bakalorea : mitaky fanazavana amin’ny minisitra ny MMM

Tsy mbola nifarana eo. Mangata-panazavana amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny loholona MMM, manoloana ny fiverimberenan’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea. Nohitsin’ny fanambaran’ny antoko Malagasy miara-miainga fa tranga efa niseho teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro nifanesy izany. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2019 nefa […]