Nitondra fanehoan-kevitra manoloana ny fitsinjaram-pahefana voiziny ny eo anivon’ny MMM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa misy ny hevi-diso amin’ny fandraisan’ny sasany izany. Tsy mitombina ny filazan’ny sasany fa tsy mahavaha ny olan’ny vidim-piainana sy ny fampianarana, fahasalamana… ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy gaga isika raha tra-pahasahiranana satria ny eny […]
Politika
Banga ny tontolo politika: nodimandry Rasamoelina Hary Naivo
Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, Rasamoelina Lala Hary Naivo. Efa tao anatin’ny tsy fahasalamana ny tenany nandritra ny fotoana maro. Sitrana avy eo saingy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Filoha mpanorina ny antoko Dina maha olona sy ny demokrasia (DHD) izy rehefa nisintaka tsy teo anivon’ny antoko Arema intsony, tamin’ny […]
Fihaonana an-tampony any Bruxelles: solontenan’ny vehivavy mpitarika politika i Masy Goulamaly
Anisan’ireo miatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo vehivavy mpitarika politika “Women Political- WPL”, tanterahina any Bruxelles, Belzika ny depiote Masy Goulamaly. Haharitra roa andro izany fivorian’ny solontenan’ny vehivavy avy amin’ny firenena maro samihafa izany. Anisan’ ny hodinihina ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy sy ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny fandinihana ny […]
Raharaham-pirenena: mitaky datim-pifidianana ny Tim
Mandodona mafy ny fitondram-panjakana ny avy etsy Bel Air. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Rina, omaly, fa efa fotoana izao hamoahana ny tetiandrom-pifidianana. “Avoahy izany raha tena manana fahavononana tokoa ianareo… Takinay ny hamoahana ny “décret” sy ny tetiandro momba izany, hiomanan’ny vahoaka sy ireo kandidà”, hoy izy. Nohitsiny […]
Fihaonambem-paritry ny FFKM : nampitaraina ireo mpizaika ny sosialim-bahoaka
Miroso hatrany ny fihaonambem-paritry ny FFKM. Nisongadina amin’ny olana eny ifotony, nentin’ireo mpizaika, ny lafiny sosialim-bahoaka eto amin’ny firenena. Eo koa ny resaka politika. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FFKM fa misy ireo olana itovian’ny faritra tsirairay. “Anisan’ny angon-kevitra nisongadina tamin’izany ny momba ny delestazy sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fahasahiranan’ny […]




