Politika

Minisitra R. Landy: “Tsy fanenjehana mpanao politika ny fitsarana”

“Aoka tsy hisy ny adihevitra diso hoe mpanao politika no kendrena. Fitsarana tsy mi­tanila sy mahaleo tena no misy ankehitriny, ary miezaka mitsara ara-drariny. Tsy misy fitsarana ho an’ny manan-katao na tsia, na hoe natao ha­nenjika mpanao politika ihany.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randria­manantena­soa Landy Mbolatiana. Miezaka mitsara […]

Lisi-pifidianana sy tetiandrom-pifidianana : manaitra ny tomponandraikitra ny KMF/Cnoe

“Manao izao fanairana izao ny fikambanana mba ha­moahan’ny Ceni ny tetiandro vaovao mazava indray mandeha momba ny dingana tsy maintsy mbola hatrehina mandra-pivoahan’ny lisitra farany.” Io ny fanambarana hoe “Ampahafantaro ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana”, nampitain’ny birao nasionalin’ny KMF/Cnoe-Fana­beaza­na olom-pirenena, oma­ly, momba ny […]

Miadana Fabien Privat : “Tratra aoriana raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, mbola adihevitra politika etsy sy eroa ny amin’ny fanitsiana na fanovana lalàm-pifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha tazonina ny datim-pidianana naroson’ny Ceni, tratra aoriana ihany raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra […]

Ankazobe : nanazava ny foto-keviny ny MMM

Mitohy ny fitetezam-paritra. Anjaran’ny tany amin’ ny distrikan’Ankazobe in­dray ny omaly, amin’ny fanazavan’ny antoko Mala­gasy miara-miainga ny foto-keviny sy ny raharaham-pirenena. Nitarika izany tany an-toerana ny loholona avy amin’ity antoko ity, Rakoton­drainibe Ndriana sy ny sasany amin’ny birao politika. “Manohy ny fanabeazana ara-poto-kevitra sy maha olom-pirenena izahay. An­draikitry ny antoko […]

Radimbielson William : “Tsy midika Tetezamita ny fikaonandoham-pirenena “

“Tokony hisy ny fikaondoham-pirenena. Tsy midika izay hoe fitondrana Teteza­mita. Na eo aza ny fifidianana, tokony hisy hatrany ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Tsy mila iray volana ny fanatanterahana izany, fa herinandro handaminan-javatra raha manam-piniavana hanavotra ny firenena ny rehetra. Tokony hojerena ny […]