Tranga

Voaolana : ankizivavy nihosin-dra tao anaty ala

Nitrangana fanolanana ankizivavy tao amin’ny fokon­tany Tanambao Nosy Be, kaominina ambanivohitr’ Antetezam­baro, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, naheno ankizy mitomany sady mitaraina tao anaty kirihitr’ala ny olona sendra nandalo ka niantso azy ireo. Voamarina ny fisian’ilay ankizy. Zaza efa mihosin-dra no tazan’ny zandary sy […]

Bateria nipoaka : Zaza 10 taona maty kilan’ny afo

Zava-doza no nanjo ireto mpiompy akoho, tao Ambohimiarivo, omaly. Nirehitra ny gorodona, nahazo ny bateria mpamatsy angovo tao an-trano ka nipoaka. Maty tsy tra-drano ny zaza 10 taona. Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, omaly. Trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofo no tra-doza sy nirehitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny […]

Sakaraha: taksiborosy tratra nitondra zanaka baobab

Nangina ny sokatra! Fiara taksiborosy Sprinter an’ny kaoperativa iray miasa eny Fasanikarana no tratra nitondra zanaka baobab tao Sakaraha, omaly. Tao Ankatsakatsa, fokontany/ kaominina Sakaraha, distrikan’i Sakaraha, Pk 796+200, no tratra ity fiara fitateram-bahoaka ity. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity taksiborosy mitondra hazo arovana ity. Anisan’ireo […]

Mahitsy: tratra ny jiolahy mpamaky trano

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanana teny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly, ny jiolahy tompon’antoka tamina halatra niharo vaky trano tao Ambodimadiro Maevatanana, ny sabotsy teo. Nitrangana halatra tao amina tokantrano iray ao Ambodimadiro, ny 11 febroary 2024 lasa teo. Very tamin’izany ny ordinatera niaraka tamin’ny finday sy kojakoja […]

Nampijalian-drainy: zazamenavava namoy ny ainy

Namoy ny ainy tsy fidiny noho ny herisetra nataon-drainy ny zazamenavava iray. Feno mangana ny vatany tamin’ny fotoana nahafatesany. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Nosy Be Hell Ville, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanany naterany. Vao teraka telo herinandro ilay zaza niharan’ny herisetra. Niafara tamin’ny fahafatesany […]