Tranga

Nasitrika tao an-tanimbary : Sinoa hita faty tao anaty gony

Nolerana antsy teo amin’ny tendany ny teratany sinoa iray, monina eny Masindray. Nasitrika tao anaty gony ny razana. Nariana teny tanimbary avy eo. Nosamborina ny mpiambina tao aminy. Hatairana ny an’ny fokonolona nahita gony namoaka fofona maimbo tao anaty tanimbary iray tao Amboaromanana, fokontany Ivoara, kaominina Ma­sindray, distrikan’Avaradrano, omaly maraina. […]

Toamasina : jiolahy roa indray maty voatifitry ny polisy

Nanakoako ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy, tao amin’ny fokontany Ambo­lomadinika, Mangarivotra ha­trany Morarano sy Ambala­ki­soa, afakomaly alina. Vokany, jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy. Jiolahy iray hafa kosa azo sambo-belona. Noma­ri­hin’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa monina ao Ambolomadinika, Toamasina, ity jiolahy tratra ity. Miasa […]

Valo lahy nanafika: vola 6 hetsy sy ordinatera voaroba

Norobain’ny jiolahy valo lahy ny tokantrano iray tao Andohony, fokontany Antsahabe sy kaominina ambanivohitra Bongatsara, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by tao ambony rihana saingy tsy voasokany.  Nambanany basy avy eo amin’ny varavarankely ireo tompon-trano ka voatery namoha ny varavarana. Tafiditra tao an-trano izy valo lahy […]

Anosizato: jiolahy nitam-basy lavon’ny zandary

Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny mpitandro filaminana tao Anosizato, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nahatrarana basy vita gasy teny aminy. Jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadiana la­von’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fe­noa­rivo tao Anosizato, afakomaly alina, tamin’ny 10 ora. Naha­ray loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosi­zato […]

Ihosy : vehivavy nangalatra finday voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray nangalatra tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Ihosy, ny 20 avrily teo. Nana­kaiky ny mpivarotra kojakoja tao an-toerana, nanao toy ireny mpividy ireny io ramatoa io. Nanontany ny vidin’ny kojakoja izy. Nandrasany ho variandriana ny mpivarotra ka norobainy ny finday vaovao miisa valo. Nentiny […]