Auteur/autrice : Adnews

Foibe fitehirizana vaksiny lehibe aty Afrika : notokanana omaly ny fotodrafitrasa vaovao, eny Ivato

Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny, omaly, ny foibe lehibe indrindra aty Afrika hitehirizana vaksiny eto Madagasikara. Naorina eny Ivato miaraka amin’ny toeram-piasan’ny sampandraharaha misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ity. “Fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Uni­cef ary ny Alliance Gavi, tao anatin’ny efatra […]

TARATRY ny KANTO

Le By Pass after Work – Melky. Haka endrika “Cabaret dancing” ny fiarahana anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ity toeram-pialamboly ity. Ny tarika Melky no handahatra ireo hirany, hampian’i Nanja, nasaina manokana. Mazava loatra fa ireo hira mampandihy, nitety vanim-potoana no halahatra mandritra izany. Hanafana mialoha ny sehatra, […]

MFF, andiany faha-19: miisa 177 ny sarimihetsika hifaninana

Efa fantatra avokoa ireo sarimihetsika samihafa, hifaninana ao anatin’ny Madaga­scourt Film Festival (MFF) andiany faha-19. Miisa 177 izy ireo, ary mizara sokajy efatra. Nifarana ny 14 avrily 2024 teo ny fisoratana anarana amin’ity hetsika lehibe ity, ary izao navoakan’ny mpikarakara izao ny lisitr’ireo afaka mifaninana. Nahatratra 347 ny sarimihetsika voaray […]

Fikajiana ny kolontsaina: hanao velakevitra ny Famailahy

Anisan’ny ezaka sady antom-pijoroan’ny fikambanana Famailahy ny fikajiana ny kolontsaina, tantara, sns. Ny 28 avrily izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, ao amin’ny EPP Ambohijanaka Antsinanantanana. Hanatanteraka velakevitra fampahafantarana ity fikambanana ity ny tomponandraikitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny famaliana ny fanontaniana, inona sy aiza […]