Hotanterahina ny 2 novambra ho avy izao, any Frantsa, ny « Journée Pays ». Hetsika hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite malagasy sy frantsay izy io. Oniversitem-panjakana valo ka hatramin’ny 10 no handray anjara ary hisy ny fihaonana matihanina 15 hatramin’ny 20 isan’andro. Hisy sehatra fisoratana anarana hapetraky ny masoivoho […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiarovana ara-pahasalamana: Nankatoavina ny drafitra fanatanterahana
Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nasionaly fanamarinana ireo antontan-taratasy stratejika sy ara-pampiharana momba ny fiomanana sy ny famaliana ny hamehana ara-pahasalamana. Eo koa ny ady amin’ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (Ram) ary ny fanamafisana ny fomba fiasa «One Health» eto Madagasikara. Entina hanamarinana amin’ny fomba ofisialy ireo antontan-taratasy novolavolaina […]
Fahadiovan’Antananarivo : Mihatra ny sazy voalazan’ny CMH
Nanao fampitandremana ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’ny hampiharana ireo sazy voalaza ao anaty Code municipal d’hygiène, CMH. Tao aorian’ny fanadiovana faobe sy fanentanana, ho avy ny kaominina hampihatra ireo sazy voalaza ao. Anisany ny fandoavana ny sazy 50 000 Ar ary famerenana eo no ho eo ny fahadiovan’ny toerana nolotoina. […]
Oniversitem-panjakana : Nametrahana sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany
Notanterahina teny Fiadanana, tamin’ity herinandro ity, ny « Conférence des présidents des universités élargies », notarihan’ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Nivory nivantana sy tamin’ny ampitain-davitra ireo filohan’ny oniversite sy oniversite manakaiky vahoaka, ireo tale jeneralin’ny IST ary ireo tomponandraikitra avy amin’ny […]
Mozika rock : Hizara ny tontolony ny The Revery
Ny anarana no amin’ny teny vahiny, toy ireo tarika mpivoy ny rock malaza maneran-tany… Fa tarika ivondronana Malagasy mpanakanto kosa ny The Revery. Mirona amin’ny mozika rock ary manan-kozaraina amin’ireo mety hankafy izany ry zalahy. Misy antony matoa noraisin’ny IFM Analakely haneho ny kantony an-tsehatra, rahampitso amin’ ny 3 ora […]




